Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), anarana mpanazatra roa sisa no hanaovana safidy amin’ny fitantanana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar “A”. Miandry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana sisa izany. Tsy ho ela dia ho fantatra ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitondra ny ekipa nasionaly malagasy, Barea […]
Taratra
Nizara kominio: very tao am-piangonana ny poketran’i masera
Poketra nisy finday roa sy vola an’ny relijiozy iray lasan’ ny mpangalatra, tao am-piangonana teny Malaza Andoharanofotsy, ny alahady 5 janoary teo. Nandritra ny lamesa fidirana fahatelo, nampandray tao amin’io toeram-piangonana io ilay relijiozy. Netin’ny fahatokisana, napetraka teo amin’ny seza ny poketra. Tao anatin’ny indray nipi-maso, sendra nihodina nanao ny […]
Taolagnaro: nirehitra ny valan-javaboahary Andranara
Nitrangana firehetana tao amin’ny valan-javaboahary Andranara Ambinanibe, Taolagnaro, ny sabotsy tolakandro teo. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, ny ampahany manamorona ny seranam-piaramanidina ao Taolagnaro sy ny ampahany ao Antany Menabe no nirehitra tamin’io fotoana io. Nanamafy izany rahateo koa ny minisitra iray eo anivon’ny governemanta tompon’ny ampahany nirehitra […]
Farafangana: mpanapa-doha telo lahy notanana am-ponja
Niakatra fitsarana ny 3 janoary teo, niara-notanana am-ponja ireo telo lahy tompon’ antoka tamin’ny fanapahan-doha tao Farafangana. Dahalo telo lahy, nisandoka ho jama tao amin’ny tanànan’Anambakaka Iabohazo, distrikan’i Farafangana, ny 18 desambra 2024 lasa teo. Nalain’izy ireo an-keriny, tamin’izany, ny lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Dao. Notapahin’ireo tsy valahara […]
Taratry ny kanto
“Sandra-kalo, Zara fanahy” hetsika tanterahin’ ny avy eo anivon’ny Faribolana Sandratra ho fankalazana ny famaranana ny faha-35 taona nijoroany. Eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny zoma 10 janoary, no hanatanterahina ny hetsika. Aorian’izay, hitohy hatrany ireo hetsika samihafa nahafantarana ity faribolana ity. Hisy ny atrikasa mahakasika ny sokajina hatsikana Stand Up […]




