Taratra

Tselatra

Jiolahy nitam-basy nikasa hangalatra omby vaky nandositra tao Antanjombe, Ambohimanarina, ny alin’ ny alakamisy hifoha omaly zoma. Henon’ny tompon-trano ny fisian’ireo olon-dratsy ka nitsoaka nandositra izy ireo. Mpanao sinto-mahery voasambotry ny fokonolona ka saika niharan’ny daroka sy vono teny Ampefiloha, afakomaly. Nalain’ny roa lahy tsy fantatra io mpanao ratsy io fa […]

Variana nilalao: ankizilahy iray maty nianjeran’ny parpaing

Maty tsy tra-drano nianjeran’ny parpaing ny ankizilahy iray nilalao teo an-tokotany tao amin’ny fokontany Dépôt fahefatra parisela 21/34, ny alakamisy maraina teo. Nila­tsaka tampoka ny parpaing nipetraka tao ambony tafon-trano hiarovana fanitso amin’ny rivodoza. Vokany, maty tsy tra-drano ilay ankizilahy 11 taona niharam-boina. Renim-pianakaviana sahirana mamelon-janaka irery satria vao iray […]

Telo lahy nitam-basy tetsy Bekiraro: tompona Cash point  voaroba 4 tapitrisa Ar

Mpanao Cash point hanokatra tsena, narahina telo lahy mitam-piadiana teny amin’ny tetezan’i Bekiraro, omaly maraina. Voaambana basy izy ka voaroba ny vola 4 tapitrisa Ar. Manjaka ny asan-jiolahy eto an-dRenivohitra. Mpanao Cash point nivoaka maraina ny trano fonenany hamonjy ny toeram-piasany no lasibatra tetsy amin’ny tetezan’i Bekiraro, Isotry, omaly maraina. […]

Fahasalamana: misokatra ny fitiliana ny homamiadana

Nanokana fotoana ahafahan’ny rehetra mahafantatra bebe kokoa mahakasika ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ny Fondation Akbaraly Madagascar, ny 24 janoary izao, eny amin’ny Pavillon Ste Fleur. Fihaonana mivantana amin’ny dokotera sy ny rasazy, hiresahana ireo aretina mateti-pitranga amin’ny vehivavy izy ity. Manampy izany koa ny tsara ho fantatra […]