Famerenana, fanamafisana… “Aoka hajanona ary tsy hanana toerana eto Madagasikara intsony ny kajikajy sy adilahy politika ary ny fitiavan-tena ho amin’ny tombontsoa manokana”. Io indray no nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna, tao amn’ny haino aman-jerim-panjakana, omaly, manoloana ny fihetsiky ny mpanohitra […]
Taratra
Vaovao tambatra
Miisa 48 isan-kerinandro ny zotra amin’ny fiaramanidina eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Miisa 19 kosa ny any Nosy Be, ka ao anatin’ireo ny zotra iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana. Niampy roa kosa ny fiaramanidina ho ampiasain’ny kaompania Madagascar Airways. Tanjona ny hanampiana ny efa eo am-pelatanana hanatsarana ny zotra anatiny, satria […]
Fanaraha-maso: hampiasaina ireo toby fandanjana fiarabe
Nahitana tsy fahatomombanana ny toby fandanjana fiarabe any Antsarakofafa Toamasina, satria mando lava ny toerana ka mila fitaovana fanampiny. Eo am-panatanterahana ny tolobidy hividianana izany fitaovana izany, ankehitriny, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena (tetikasa PDDR) sy ny Tahirim-bola ho an’ny lalana (FR). Misy koa ny drafitry ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) hanarenana […]
Fanambaram-pananana: azo atao amin’ny haitao ara-kajy mirindra
Adidy tsy maintsy ataon’ny mpiasam-panjakana ambony ny manao fanambaram-pananana eny amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), efa nanomboka ny taona 2024. Tafapetraka omaly, ny Vovonana niomerika hikirakirana ny antontam-baovao, raha natao tanana ny fikirakirana azy hatramin’izay. Nahatratra 77 274 ny fanambaram-pananana voarain’ny Bianco nanomboka ny taona 2004, nataon’ny […]
Fizahantany: tanjona ny hanangana efitrano 11 500 fanampiny
Maro ny zava-bitan’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny taona 2024. “Hotohizana ny ezaka natao ary vao mainka hohatsaraina”, hoy ny minisitra Dewa Viviane. Nitatitra ny zava-bitany tao anatin’ny enim-bolana (nanomboka ny aogositra 2024) naha minisitra azy i Dewa Viviane, sy ny mpiara-miasa aminy, omaly. Nohazavainy koa ny vina […]