Dimy lahy saika hanafika fiara teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ravan’ny zandary ny alin’ny 20 jolay 2026 teo. Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny Zana-tobim-paritra Ambalanjanakomby rehefa nahare ny tranga. Nikasa hanararaotra fiara “en panne” teo amin’ny toerana antsoina hoe “Pont Jakoba” ireo olon-dratsy ireo. Nandositra izy ireo vantany […]
Taratra
Lehilahy voasambotra : Namono ny vadiny sy nandratra ny rafozany
Voasambotry ny zandarimariam-pirenena tany Sambava, afakomaly alahady, ilay lehilahy 29 taona, tompon’antoka tamin’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny vadiny sy nandratra ny rafozam-baviny tany an-toerana. Voasambotra ora vitsy taorian’ny nanaovany ny asa ratsiny izy, raha ny tatitra voaray hatrany. Taorian’ny fisamborana azy, napetraka sy natao andrimaso amin’ny toerana azo […]
Nangalatr’omby sy osy: Dahalo iray lavon’ny zandary
Lavon’ny balan’ny zandary tany amin’ny fokontany Avaradrova, kaominina ambanivohitra Manombo Atsimo, ny dahalo raidahiny iray, omaly maraina tamin’ny 1 ora tany ho any. Malaza ratsy amin’ny fangalarana omby any an-toerana izy io raha ny fanazavana voaray. Nidiran’ny dahalo maro tao an-tanàna tamin’io fotoana io. Nangalarin’izy ireo nandritra izany, ny omby […]
Tafakatra 10 ny razana hita : Mihorohoro ny fiarahamonina
Hita faty omaly, teny Ambohimanambola, i Aina, tovolahy 22 taona, nanjavona dimy andro lasa izay. 10 ny razana hita hatramin’ny fiandohan’ny volana jolay. Miaina anaty horohoro ny fiarahamonina. Miantso vonjy, manaitra ny tomponandraikitra ny mpisintona lakolosy. Tafakatra 10 ireo olona hita faty izay nanaovan’ny fianakaviany ombay mitady teto Antananarivo sy […]
Rugby XXL Top 12 : Tafita ny Uscar sy ny FTM Manjakaray
Notontosaina ny alahady teo, ny lalao sakana hiakarana amin’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, Federaly I, XXL Top 12. Tafita hiatrika izany dingana manaraka izany ny ekipan’ny Uscar sy ny FTM Manjakaray. Ny ekipan’ny kaominina, nandavon’ny TFA Anatihazo, tamin’ny isa, 38 no ho 27. Rava tsy lera […]





