Manoloana ny raharaham-pirenena, mitondra ny heviny, Ralison Roger, mpiratirika ny vondrona Hery politika mitambara (HPM). “Tsy hanao fifidianana ny anay hatramin’izany, fa hoe: ahoana ny hahazoana manova ny fitondrana hahazoana miaro sy mametraka ny vahoaka ho tena tompon’ny fahefana? Tsy ireny nataon’ny kandidà 11 (C11 ) ireny ny fomba fitolomana”, […]
Taratra
Ceni: 800 ny antontan-taratasy nangatahin’ny fitsarana
“Ho an’Antananarivo, eo amin’ny 800 ny antontan-taratasy nalefa eny amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana”, hoy ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraka lefitra, Ravaoharinirina Hanitriniaina, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Tsy miverina mikirakira taratasim-pifidianana ny Ceni, fa manao tantsoraka amin’ny andidian’ny lalàna azy hanome izay […]
Randrianirina Jean Ignace: “Miasa mangina ny antoko politika amin’izao”
Aiza ho aiza ny antoko politika eo amin’ny tontolo politika amin’izao? Mihamahazo vahana miandalana ny mahaleo tena na tsy miankina… Maneho ny fijeriny ny filoha mpiara-mitantana eo anivon’ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace. Dinidinika. Gazety Taratra (*): Nahoana ny antoko no tsy miantsehatra firy amin’ny tontolo politika? Randrianirina Jean Ignace […]
Fiovana any ifotony: ilaina ny fananana trano kolotoraly
Manana kolontsaina sy zavakanto maro i Madagasikara. Mazana, anefa, ny hampahafantatra izany eo amin’ny sehatry ny firenena sy ny iraisam-pirenena no maha maika ny « mpanakanto ». Anisan’ny paikady ampiasaina maneran-tany, ahitana fivelarana haingana ny fiaingana any ifotony. Ho an’ny rafitra efa misy, tokony hisy trano kolotoraly ho fanandratana ny kolontsain’ilay toerana […]
Ratsy fototra: tsy mahalala ny tenany ny Malagasy
Antony iray mahatonga ny Malagasy « hitsingevana » amin’izay rehetra ataony, ny tsy fahalalana ny tantara. Mitombo isa miandalana, ohatra, ny Malagasy tsy mahafantatra akory ny tanin-drazany fa mialokaloka hatrany amin’ny hoe : « Malagasy aho, noho izany, Madagasikara no tanindrazako ». Tsy diso, saingy, tsy ampy. Ao koa ireo tsy manana intsony ny ambanivohitra […]