Nisokatra omaly, any Malawi, ny fivorian’ny komity ivondronan’ireo minisitra mivondrona eo anivon’ny Sadc. Nivoitra tamin’izany fa manaraka akaiky ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ny Sadc. Anisan’izany ny fanatanterahana ireo dingana hiverenana amin’ny ara-dalàna araka ny lalàmpanorenana. Notsindrin’ireo mpivory fa anisan’ny vahaolana ny fifampidinihana andraisan’ireo mpisehatra rehetra anjara mba hipetrahan’ny fitoniana […]
Taratra
160 taonan’ny gazety malagasy : Hananganana tranobe iombonana
Nosokafana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina, ny fankalazana ny faha-160 taonan’ny gazety malagasy (Gama) voalohany teto Madagasikara. Nahalalan’ny olona izany voalohany, ny Teny soa Analanandro. Mbola hisy ny ivon’ny fankalazana ary hofaranana amin’ny fananganana tranobe iombonana, izay tsangambato ho an’ ny asa fanaovan-gazety izany. Tsy hiankina […]
Lalao famaranana : Hiady ny amboara ry Messi sy ry Yamal
Ho fantatra rahampitso izay hibata ny amboara volamena amin’ny andiany faha-23 ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Hamarana izany ny La Furia Roja Espagne sy ny Albiceleste Argentine, tompondaka farany. Hotanterahina rahampitso alahady, ao amin’ny Kianja New-York New Jersey, ny famaranana hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina […]
Fanadinana BEPC: Niakatra ny taham-pahafahana ho an’i Toamasina
Ny alakamisy lasa teo ny fotoana niarahan’ny mpanabe, notarihin’ny lehiben’ny fanabeazam- pirenena, nandinihina ny naoty farany ambany ho an’ny mpiadina tamin’ny fanadinana BEPC 2026. Natao tao amin’ny CEG de référence Ambodimanga izany, ho an’ny tanànan’i Toamasina Renivohitra. Niarahan’ny rehetra nanapaka fa naoty 9,50/20 no eken’izy ireo ka nahazoana ny taham-pahafahana […]
Nanatona vahoaka ny ESIA: Nitily maimaimpoana ny diabeta sy ny tosidra
Nanao fitiliana maimaimpoana ny diabeta sy ny tosidra avo (HTA) ho an’ny daholobe monina ao amin’ny fokontany manodidina ny ivontoeram-pitsaboana, eny Andranomena, ny ESIA, mpitsabo misahana ny fahasalaman’ny mpiasa. Ny diabeta sy ny fiakaran’ny tosidra no anisan’ny aretina mitaiza izay matetika tsy ahitana soritraretina mialoha nefa mety hiteraka fahasarotana lehibe […]





