Manomboka ny asa fanajariana sy fanarenana ny lalana RNC6, mampitohy ny kaominina Mahabo amin’ny kaominina Tsivory. Mirefy 56 km io halavirana io, “radié” 24, tetezana 4 sy tetezana kely 2 no hatao amin’izany. Kaominina 9, ao anaty distrika 3, no handalovan’ity lalana ity ao amin’ny faritra Anôsy. Any amin’ny 6 […]
Taratra
Mitohy ny “Fijery hafa” : vehivavy 164 hisitraka fiofanana
Ho tohin’ilay hetsika “Fijery hafa” natao tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, ny volana septambra lasa teo, noraisin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ireo tanora amam-behivavy hiofana. Hanomboka ny faran’ny volana oktobra ho avy izao ny fiofanana maimaimpoana, ary mahatratra hatrany amin’ny 164 ireo tonga nanamafy […]
Aretina mamany lava : vehivavy 50 000 no marary, 20 voatery nodidina
Midina any amin’ny toerana alavitra ny mpisehatra sosialy ao amin’ny “Opération Fistula” mitady ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava mila fandidiana. Matetika miafina lavitry ny fiarahamonina izy ireny. 20 ireo miatrika fandidiana eny amin’ny Pavillon Sainte Fleur, ny 23 septambra teo hatramin’ny 4 oktobra. Tanjona ny hanafoana ny aretina mamany […]
Afafi Afovoany : fampandrosoana ny eny ambanivohitra
Tohanan’ny Fandaharanasam-pirenena enti-manondro (PIN) sy ny Tahirimbola eoropeana ho an’ny fampandrosoana (Fed) ny Fandaharanasa Afafi Afovoany, ho fanoitra hampiroboroboana ny fambolena eny ambanivohitra. Misitraka ny fandaharanasa ny faritra Analamanga, Itasy ary Alaotra Mangoro. Miisa 5 455 ny tantsaha mpamboly legioma sy mpiompy akoho nahazo tantsoroka tamin’ny tetikasa Ambioka. Maherin’ny 6 […]
« Festival des Pirates » : hampiroborobo ny fizahantany any Nosy Boraha
Hotanterahina ny 1, 2, 3 novambra izao, any amin’ny Nosy Boraha, ny «Festival des Pirates» andiany faharoa. Hetsika ara-kolontsaina entina hampiroboroboana ny fizahantany sy ny toekarena ao an-toerana. Hisy ny lalao sy fifaninanana, fanentanana samihafa, ary fampisehoana ataon’ireo artista maro mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika. Hampiavaka ny amin’ity […]




