Anisan’ireo handray anjara amin’ny « Festival de rire 2025 » i Miranto Godar, mpanao hatsikana manana ny lazany, nipoitra tao anatin’ny dimy taona farany. Anisan’ny hahafantarana azy ny tsikiny vantany vao hita. Zary lasa anto-pivelomana ho azy moa ny hatsikana noho izay talentany izay ka lasa mpanao hatsikana matihanina sy […]
Taratra
Fondation H: voaravaka hetsika ara-javakanto ny janoary
Misokatra sy ahitana hetsika maro samihafa eny amin’ny Fondation H Ambatomena, na mbola andro vitsy aza no niantombohan’ny taona. Ankoatra ireo fampirantiana mandravaka ity ivontoerana ity, amin’izao fotoana izao, hita eny an-toerana ny atrikasa natao ho an’olon-tsotra. Eo ihany koa ireo fampiofanana sy velakevitra misokatra ho an’ny rehetra. Amin’ny ankapobeny, […]
Madagascar Mozarteum: hosokafan’i Jino Ramanambohitra ny sehatra
Fanombohana miavaka! Amin’ny alalan’ny hakanton’ny feon-gitaran’i Jino Ramanambohitra no hanokafan’ny Madagascar Mozarteum ny seho karakarainy isaky ny «Dimanche clasique». Tafiditra ao anatin’ny fanombohana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny Mozarteum ity andiany faha-18 ity. Fampisehoana an-tsehatra hotanterahina ao amin’ny Alliance Française d’Antananarivo Andavamamba (AFT), ny 12 janoary izao, manomboka amin’ny 4 […]
« ODD à travers l’Arts- Madagascar »: Malagasy mpanakanto 17 nandray anjara
Nifarana omaly, teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona, ny «ODD à travers l’Arts- Madagascar». Hetsika karakarain’ny Galerie ZeeArts avy any Dubaï, miaraka amin’ny Commission de l’Océan Indien (COI) sy ny Rotary Club Antananarivo Ivandry. Malagasy mpanakanto misehatra amin’ny fanaovana sary miisa 17 nandray anjara tamin’ny hetsika. Atrikasa sy fampirantiana no nandravaka […]
Fantina sy fintina
Handeha mivantana amin’ny TVM/RNM, anio amin’ny 4 ora, ny filankevitry ny minisitra voalohany amin’ ity taona ity. Hitarika izany ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra. Tsiahivina fa niato noho ny fialantsasatry ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izany. Nanao rodombe teny Antanimora ireo lohandohany eo anivon’ny vovonana Firaisankina sy […]