Taratra

Orinasa Rio Tinto: nohavaozina ny fifanarahana amin’ny fanjakana

Hita ny marimaritra iraisana eo amin’ny Rio Tinto sy ny governemanta malagasy mi­kasika ny lafiny hetra ho an’ny orinasa Qit Madagascar Minerals (QMM). Natao sonia, ny 22 aogositra teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa hitrandrahana maharitra ataon’ny QMM any Taolagnaro. Anisan’ny tanjona ao anatin’ny fifanarahana ny hisi­trahan’ny vahoaka malagasy bebe kokoa ny […]

Faritra arovana: fifaninanana ho an’ny mpanao gazety

Nampahafantarina, omaly, tamin’ny fomba ofisialy, ny fifaninanana ho an’ny mpanao gazety, hanao fanadihadiana mikasika ny Faritra arovana (AP) eto Madagasikara. Miaraka mikarakara azy ny Tahirim-bola ho an’ny faritra arovana sy ny karazan-javamananaina eto Madagasikara (FAPBM), ny tetikasa Varuna ary ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE). Tsikaritra hoy […]

« Branchement mora » : tonga ny kaontera andiany faharoa miisa 25 000

Tetikasa hampisitrahana herinaratra ho an’ny tokantrano marefo manerana ny Nosy ny “branchement mora”. Niampy 25 000 isa indray ny kaontera hojifaina amin’ny vidiny 30 000Ar. Tetikasa natao hitsinjovana ny sarambabem-bahoaka ny “branchement mora”. Afaka misitraka izany ireo tokantrano voama­rin’ny fokontany sy misoratra ara-dalàna ao aminy. Kaontera 25 000 isa indray […]

Afon-dasin’Andohalo: hanafana ny hetsika ny Iraimbilanja

Hianoka fampisehoana iarahana amin’ny tarika Iraimbi­lanja indray ny mpankafy ny « Afon-dasin’Ando­halo », anio hariva, manomboka amin’ny 4 ora, ao amin’ny Zaridainan’ Andohalo. Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy no miara-misalahy amin’ny fanatanterahina ity hetsika ity. Ankoatran’ny fanomezana sehatra ny mpanakanto, tanjon’ny « Afon-dasin’Andohalo » ihany koa ny […]

JIOI – « Volet jeunesse »: Tsy fifaninanana fa fampiraisana ny tanora

Tontosaina eny amin’ny Arena Ivandry, ao anatin’ny fe-potoana hanatanterahana ny lalaon’ny Nosy, ny « Volet jeunesse ». Ankizy sy tanora 14 hatramin’ny 25 taona, 14 isa avy, avy amin’ny firenena fito no hifandimby handray anjara amin’izany. Marihina fa tsy fifaninanana no atao fa hetsika entina hanamafisana ny fifandraisan’ireo tanora avy […]