Taratra

Ramilijaona Andry, Talen’ny Smev: “Tsy azo anaovana fifampiraharahana ny ain’ny mpandeha”

Sampandraharaha iray eo anivon’ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra ny Smev (Société municipale d’entretien du véhicule) na ilay Omavet taloha. Etsy amin’ny Mikoja Nanisana no misy azy. Araka ny nambaran’ny Tale jeneraliny, Ramilijaona Andry, misahana ny “visite de conformité” an’ireo fiara fitateram-bahoaka eto an-dRenivohitra no asan’ izy ireo. Mampiasa ireo fitaovana manara-penitra […]

Fiforonana andro ratsy: ahina ho lasa rivodoza, hitondra ny anarana Ancha

Ahitana andro ratsy miforona ao amin’ny ranomasimbe Indianina, nanomboka ny 15 aogositra lasa teo, araka ny fampahafantarana navoakan’ny Foibe famantarana ny toetr’andro eto Madagasikara, omaly. Tsy ahina hanakorontana ny toetry ny andro eto amin’ny Nosy anefa izany, raha ny vaovao voaray hatrany. Mety ho lasa rivodoza kosa izy io, anio, […]

Hamehana ara-pahasalamana : mampanahy ny OMS ny Variole du singe

Nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamama, OMS, tamin’ity herinandro ity, fa hamehana ho an’ny fahasalamam-bahoaka, mahakasika izao tontolo izao, ny valanaretina Variole du singe miseho amin’ny firenena afrikanina maromaro. Noraisina ny fanapahan-kevitra noho ny fanahiana fa misy karazany mamono sy mifindra haingana (Monkeypox) mamely ny firenena afrikanina izay tsy […]

Tsenaben’ny fitaovam-pianarana : manome lanja ny vokatra eto an-toerana

Mitondra vahaolana hampihenana ny vola mivoaka amin’ny ray aman-dreny sy ny sekoly ny “Tsenaben’ny fitaovam-pianarana”, karakarain’ny Cnapmad hatramin’ny faran’ny volana. Ho fanampiana ny ray aman-dreny sy ny mpitantana sekoly hanomana ny fidirana ho an’ny taom-pianarana vaovao, mikarakara Tsenabe ny Cnapmad eny Ankorondrano. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanabe­azam-pirenena. Nanomboka omaly, ary […]

INDRAY MIJERY

Hanao volonandro ririnina ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny, indrindra fa any amin’ny ilany atsinanan’ny afovoantany sy ny afovoany atsinanan’ny Nosy, ao anatin’ny roa andro manaraka. Hikorontana koa ny toetr’andro any an-dranomasina, amin’ny moron­tsiraka Afovoany Andrefana, Atsimo Andrefana, Atsimo ary Atsimo-Atsinanana. Efatra ny fototry ny asa mifandraika amin’ny maha olona : […]