Nivoaka afakomaly hariva, ny valim-panadinana bakalorea 2024 ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa. Manodidina ny 54,99 % ny taham-pahombiazana ho an’ny bakalorea ankapobeny. Mitsinjara toy izao: 57,67% % ho an’ny serie A1, 48,34% ho an’ny serie A2, raha 75,51 % ny serie C. 64,12 % kosa ny serie D. 65,02 % ho […]
Taratra
Distrika efatra ao Atsimo Andrefana: Vitsy ny fantsakana misy rano nefa mbola ahitana otrikaretina
Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity, tany Toliara, ny vokatry ny fanadihadiana notontosain’ny ONG Sahi, mpiara-miasa amin’ny Unicef ao anatin’ ny tetikasa Mionjo. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Rano ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Ho an’ny distrika efatra nohadihadiana: Betioky Atsimo, Ankazoabo, Beroroha ary Ampanihy Andrefana, ao amin’ ny faritra Atsimo Andrefana, 47,5% amin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Taorian’ny fahombiazana teny amin’ny CGM Analakely. Haseho an-tsehatra eny amin’ny Ivokolo Analakely indray “Ilay ray izay tsy ananako”, iarahana amin’ny Iza, ny alahady 18 aogositra izao. Tantara tena kanto tokoa sy natao ho an’ny rehetra, mitantara lalam-piainana tanora telo mianadahy tafaroboka tao anatin’ny fandraisana zava-mahadomelina sy fivarotan-tena. Nisokatra nanomboka omaly, […]
Mifarana anio ny « Herinandron’ny kabary » : «Tratra ny tanjona», hoy Randimbiarison Herizo
Faranana anio, ny « Herinandron’ny kabary » na ilay hetsika lehibe tanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma) hoenti-mampivondrona sy manatevim-pahalalana. « Na teo aza ny fiatrehan’ny rehetra ny andavanandrom-piainany. Ho an’ity andiany faha-18 notanterahina teo anivon’ny faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo ity, tratra ny tanjona. Nizotra tsara ny fanatanterahana ny fandaminana napetraka », hoy ny filoha […]
« Waka-waka festival » : hiditra amin’ny andiany fahatelo ny hetsika
Hotanterahina ny 5 hatramin’ny 8 desambra 2024, any Sambava, ny « Waka- Waka Festival”, andiany fahatelo. Hetsika ara-javakanto sy ara-panatanjahantena atao ao amin’ny tanànan’i Sambava izy ity. Ankoatra ny fanandratana ireo tanora misehatra amin’ny fanatanjahantena sy zavakanto amin’iny faritra iny, tanjona ihany koa ny fitondrana vahaolana amin’ny sosialim-bahoaka ao an-toerana. Hisy […]




