Norombahin’i Hajanirina, atletan’ny Crown Vakinankaratra, ny laharana voalohany sy ny medaly volamena nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Maurice tamin’ny hazakazaka anaty natiora na ny Trail, ho an’ny halaviran-dalana 32 km. Fifaninanana nokarakarain’ny ligy any an-toerana, ny sabotsy 28 marsa lasa teo. Notarihiny hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny hazakazaka. […]
Taratra
Lalao ara-pirahalahiana Fifa: Nisaraka ady sahala tamin’i Guinée Equatoriale ny Barea
Fandresena sy sahala no vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara tany Turquie. Mety hijanona eo amin’ny laharana faha-104 ny ekipam-pirenena malagasy. Tsy nisy ny nivoaka mpandresy! Nisaraka ady sahala tamin’ny isa 1 no ho 1, ny Barean’i Madagasikara sy ny Nzalang Nacional Guinée Equatoriale, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana izay natao, omaly, tao […]
Fanohanana ny fahafaha-miarina: Nizarana tohana ny tokantrano 1 200 tao Ambatondrazaka
Novatsian’ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny BNGRC, fanafody ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Alaotra Mangoro. Fanafody 126 baoritra no natolotra, tamin’izany, nahitana karazam-panafody hitsaboana ny tazo, antibiotique, antidiabétique, vitamine… miaraka amin’ ny fitaovam-pitsaboana maro. Tonga teny amin’ireo tokantrano miisa 1 200 tena marefo ao amin’ny kaominina Ambonivohitr’Ambatondrazaka, Feramanga Avaratra, Ambandrika, distrikan’Ambatondrazaka, ny fiandohan’ny […]
Zo sy fahasalamana ara-pananahana: Betsaka ireo tsy mahafantatra ny lalàna lah. 2017- 043
Notanterahina tany Toliara, ny volana marsa lasa teo, ny hetsika faobe fampahafantarana ny lalàna laharana 2027- 043 momba ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindrana fiainam-pianakaviana. Ny Ipas Afrique Francophone sy ny Réseau parlementaire national pour la justice reproductive no nifarimbona tamin’ny fikarakarana. Tsapa nandritra ny fidinana tany Toliara fa maro ny […]
TARATRY ny KANTO
Hanaovana fety hatramin’ny ratsy ? Isaky ny 1 avrily, tahaka ny anio, no ambaran’ny vahiny fa «Fetin’ny lainga». Midika ho fanomezana vahana ny lainga sy ny mpandainga? Sa, fitiavana ny hanao fety tsotra izao? Na tsy rototra amin’ny fomba hoenti-manamarika azy io aza ny Malagasy. Ny fombany mihitsy no efa […]




