Taratra

Fitantanana an’Antananarivo Renivohitra: Ben’ny Tanàna vonjimaika Rajonson Zaratiana Finaritra

Nandray ny asa maha ben’ ny Tanàna vonjimaika azy ny lefitra voalohany ao amin’ny Kaominina Antananarivo Re­nivohitra, Rajonson Zaratiana Finaritra. Notontosaina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Ana­lakely, omaly, ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny ben’ny Tanàna teo aloha, Ramanantsoa Harilala. Nialoha izany, nanatrika hetsika roa samy hafa ny mpitantana teo aloha, […]

Zotra tsy maintsy arahina

Nirongatra indray tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona. Loza tsy nahy sy tsy ampoizina avokoa ny ankamaroany. Misy ihany ny tsy fitandremana isan-karazany. Raha ny zava-misy ankehitriny, tsy ampy ny filazana fa tandrevaka no fositra. Misy tokoa ny loza, tsy hay hazavaina. Mijininika ny ra, miampatrampatra ny maty. Tsy […]

Fifidianana eny ifotony: Mampirisika ny tanora ho kandidà ny Malagasy miara-miainga

Naneho ny heviny momba ny fandraisana andraikitry ny tanora eto amin’ny firenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa tena fotoana hirotsahan’ny tanora an-tsehatra izao. Notsiahiviny ny nahavoafidy azy ho ben’ny Ta­nàna voalohany teo amin’ny faha-28 taonany. Amin’izao fotoana izao, mahafinaritra ny filoha nasionalin’ny MMM ny mahita […]

Kariera ao Ambohimalaza : Lehilahy maty nipoahan’ny vanja

Namoy ny ainy ny lehilahy iray nandritra ny fipoahan’ny vanja tao amin’ny toeram-pitrandrahana vato ao amin’ny fokontany Ambohidray Atsimo, kaominina Ambohimalaza, ny harivan’ny alatsinainy 30 marsa teo. Hamaky vato lehibe no tanjon’ireo mpitrandraka ireo. Talohan’ny tena fanapoahana ilay vatobe, nanao andrana manokana izy ireo ka anisany io lehilahy io. Nampiasa […]