Noho ny tsy fisian’ny kianja nahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf), hatao any ivelany avokoa ny lalao mandroso eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboara hatrehin’ny Disciples sy ny Elgeco Plus. Efa ofisialy, araka ny vaovao navoakan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao amin’ny […]
Taratra
Zotra nasionaly: nahitana fiakarany 5000 Ar ny saran-dalana
Nanomboka nampiakatra saran-dalana ny koperativa sasany mankany amin’ny zotra nasionaly, tamin’ity herinandro ity. Anisan’ny nahitana izany ny koperativa “Soa trans” etsy Andrefanambohijanahary, raha ny fanadihadiana natao. “Nampiakarina ho 5000 Ariary isaky ny toerana ny saran-dalana ho an’ny zotra nasionaly miainga eto Antananarivo, ankoatra an’i Morondava”, hoy ny tomponandraikitra iray ao […]
Fihaonamben’ny mpiasan’ny fahasalamana: I Toamasina no handray ny andiany fahatelo
Mahatratra 4500 ireo mpiasan’ny fahasalamana manatanteraka ny fihaonambe any Mahajanga (SPSM), nanomboka tamin’ity herinandro ity. Nahatonga solontena mavitrika avokoa ny avy amin’ny faritra 23. Fanehoana firaisankina sy fampivondronana ny hery ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana no tanjona. Ahitana ireo toko telo mahamasa-nahandro, ireo dokotera, ny paramedy sy ny infirmiera ary ny […]
Fampidirana mpianatra : mbola vitsy ny nanoratra anarana
Tsy dia marisika manoratra ny anaran-janany any an-tsekoly ny ray aman-dreny hatramin’izao, raha ny fanadihadiana natao. Manodidina ny 20 hatramin’ny 30 % ny tahan’ny ray aman-dreny nahavita izany, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny sekoly tsy miankina. “Variana amin’ny famitana adidy maro samihafa, toy ny famadihana sy mbola any am-pialana […]
Fampinonoana amin’ny nonon-dreny: mamonjy aina 820 000 isan-taona maneran-tany
Afaka mamonjy aina 820 000 isan-taona ny fampiakarana ny tahan’ny fampinonoana amin’ny nonon-dreny. Miaro ny zaza amin’ny aretina samihafa izany ary mampihena ny karazana homamiadana ho an’ny reny. Nomarihina, tamin’ity herinandro ity, ny Herinandro ho an’ny fampinonoana amin’ny nonon-dreny. “Fanohanana ny fampinonoana, areno ny lesoka” no lohahevitra nosafidiana, ho an’ity taona […]




