Mamarana ny fiofanany amin’ny alalan’ny fihaonana an-tampony atao aoWashington DC ireo tanora Malagasy nahavita ny fiofanana Yali Mandela…(MWF) 2024. Samy nandranto fahalalana tany amin’ny Oniversite nivantanany avy izy ireo ka mihaona miaraka amin’ireo mpiofana rehetra nisitraka ny vatsim-pianarana. Tanterahina ao Fianarantsoa, nanomboka tamin’ity herinandro ity, ny Androm-pirenena ho an’ny fanabeazana […]
Taratra
Fanarenana taorian’ny rivodoza: fianakaviana 485 ao Ambilobe nizarana fitaovana
Efa manomboka miarina ny fiainan’ireo mponina lasibatry ny fahasimbana noho ilay rivodoza Gamane farany teo, ho an’ny distrikan’Ambilobe. Ho an’ireo lalana nahitana fahasimbana toy ny ao Efasy sy ny eo Mahavavy, vita vaovao avokoa izany ary miverina amin’ny asany andavonandrony ihany koa ny mponina. Manohy ny fanampiana ireo olona nisedra […]
Niato ny hetsiky ny mpianatra: “Tsy nisy fanatsarana mihitsy ny fotodrafitrasan’ny politeknika”
Tsy mbola nilamina tanteraka ny eny Vontovorona. Nisy ny fanambarana nataon’ny minisitra mpisolo toerana fa hivoaka amin’ny herinandro ambony ny lisitr’ireo mpianatra hisitraka vatsim-pianarana telo volana faharoa. Niato ny hetsika fitakiana teny amin’ny politeknika Vontovorona, omaly. Namangy ny namany naratra teny amin’ny HJRA kosa ireo mpitarika ka nitondra fankaherezana ho […]
TARATRY ny KANTO
Johary mihira Kintana Telo. Fotoan-dehibe rahampitso alahady, ho an’ireo mpankafy ny kalon’ny omaly. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ilay fampisehoana ao amin’ny CCEsca Antanimena, iarahana amin-dry Gothlieb, Luk ary Mahery, hamelona indray ireo hira novazoin’ny Kintana Telo. Mbola eo ihany koa i Salomon, hiray sehatra amin’izy ireo. Anisan’ny handray anjara […]
« Festival Sobahya » Katsepy : ho vahiny ry Komo sy Choc Choc avy atsy Mayotte
Hetsika iray maneho ny kolontsaina mivelatra ny «Festival Sobahya». Hiditra amin’ny andiany faha-18 sahady izany amin’ity, hatao any Katsepy, ny 9 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao. Fanomezan-danja ny «Sobahya», ilay lamba mampiavaka ny Sakalava Maroambitsy, monina any amin’ity tapany andrefan’ny Faritra Boeny ity izany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, […]




