Misahotakotaka ery ny isan-tokatrano amin’izao fotoana izao mandeha miala sasatra. Maro ny fianakaviana mamonjy ranomasina ny avy aty am-povoantany. Tsy vitsy ihany koa ireo avy any amin’ny sisiny, miakatra aty an-dRenivohitra. Tsy mahasakana ny fialana voly ny adim-piainana efa ho lava. Mifanindran-dalana amin’izay, miditra anatin’ny vanim-potoana ny famadihana sy […]
Taratra
Tale jeneralin’ny Bianco: “Ireo mpandray isam-bolana no manao kolikoly”
Tafapetraka, omaly, ny vatofototra ho fanorenana ny fotodrafitrasa hiasan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ato anatin’ny faritanin’ i Toamasina. Nahitsy ny tale jeneraly, Andrianirina Laza, tamin’ny lahateniny. “… Matetika ireo mpikarama isam-bolana no mpandray kolikoly raha ireo madinika kosa no iharan’izany. Tena misy fiatraikany amin’ny sarambabem-bahoaka tokoa izany”, […]
TSELATRA
Nihitsoka teny an-dranomasina nandritra roa andro sy roa alina ny mpanjono roa lahy navadiky ny lakana tao Nosy Be, afakomaly. Tsy nisakafo sady tsy nisotro rano ireto farany. Avotra soa aman-tsara anefa izy ireo, satria tonga nanao ny asam-pamonjena ny teo anivon’ny Tafika an-dranomasina. Naratra mafy koa ny mpitondra moto […]
Fitrandrahana ala tsy ara-dalàna : dimy lahy naiditra eny Tsiafahy
Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo mpikambana ao anatin’ny tambajotra mpitrandraka hazo sarobidy tra-tehaky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, afakomaly. Nitatitra hazo voamboana tao anaty kamiao, voasavan’ny mpitandro filaminana tampoka ka noraisim-potsiny ireo mpitrandraka. Miisa 122 ireo karazan-kazo sarobidy tsy azo trandrahana. Nahitana karazan-kazo sarobidy hafa […]
Maintirano : dahalo iray lavo, omby 56 tafaverina
Maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny iray tompon’antoka tamin’ny halatra omby tao amin’ny tanànan’i Bemokotra Anasy, kaominina Bemokotra, distrikan’i Maintirano, omaly. Nandroba omby am-polony ny dahalo nanafika tao amin’io kaominina io. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifampitifirana. Vokany, voatifitra ny dahalo iray. […]




