Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny andro fahefatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara «Top 20», taranja rugby. Lalao efatra no voalahatra hatao etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena. Crai hifandona amin’ny Asa Ambohimanarina. XV Beravina Itaosy hifanazava amin’ny CEA. SCB hifampitana amin’ny FTAM ary ny FBM hidona amin’ny 3FAI. Hotanterahina etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, […]

Fifanintsanana “Can 2025” : Any Maroc ny lalaon’ ny Barea sy i Tunisie

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny alakamisy 5 septambra ho avy izao ny lalao hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy i Tunisie ho an’ny vondrona “A”, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”, hatao any Maroc. Fihaonana mandroso, tafiditra eo amin’ny andro voalohany ho an’ny fifanintsanana isam-bondrona. Araka ny angom-baovao, […]

Lalao Olympika: resin’i Katie Jemima i Laura teo amin’ny taranja judo

Nifarana teo amin’ny dingana 1/16 ny lalan-dRasoanaivo Laura, ho an’ny taranja judo amin’ny lalao Olympika, tanterahina any France. Resin’ilay anglisy, i Katie Jemima, ny tovovavy. Raha nandrandrain’ny Malagasy an-tapitrisany ho lasa lavitra ilay mpanao judo, Rasoanaivo Laura, eo amin’ny lalao Olympika, atao any Paris France, tsy izay no zava-nisy fa […]

Tetikasa Ourson : hampihena ny fahatapahan-jiro sy ny vidin’ny angovo

Fotodrafitrasa hahazoana angovo avy amin’ny masoandro mirefy 88 000 m2 no anda­lam-panatanterahana ao amin’ny faritra indostrialin’ny vondrona Filatex eto Antana­na­rivo, nanomboka ny fiandohan’ny taona teo. Mamokatra herinaratra 11 megawatt izy ireo ary mbola azo haitatra hatramin’ny 14 megawatt. « Ity tetikasa Ourson ity dia hampihena ny fahatapahan-jiro sy ny vidin’ny angovo ary […]

Diplaomasia : mametraka ny maha izy azy eto Afrika i Madagasikara

Ao anatin’ny fanatsarana sy fampivelarana ny fifandraisana amin’ny firenena afrikanina ny fitondram-panjakana malagasy. Mifanindry an-dalana amin’izany ny vina sy fanambin’ny firenena afrikanina amin’ny fampanjakana ny “Panafricanisme”. Manatanteraka fivahinianana ara-panjakana any Angola, na­nomboka omaly hatramin’ny anio, ny delegasiona malagasy, tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Famaliana ny fanasan’ny filohan’ny Re­poblikan’i Angola, João Manuel […]