Taratra

INDRAY MIJERY

Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina, any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy noho ny alondrano avy atsimo andrefana. Hahery ny ranomasina hanomboka anio ary hitohy rahampitso ny filazana fampitandremana miloko maitso, eo anelanelan’i Morombe sy Taolagnaro. Hiara-hiasa ny oniversiten’i Mahajanga sy ny Université de téchnologie Tarbes-Frantsa (UTTOP). […]

Bakalorea – Sokajy rehetra : “Maivana ny laza adina fizika simia”, hoy ny mpampianatra

“Mitohy ny fitsarana ny taratasim-panadinana amin’ny bakalorea ho an’ny eto Antananarivo ary tombanana hifarana rahampitso”, hoy ireo mpitsara. Tsy nisy nanaiky nanao sonia ny taratasy fanekena naroson’ny mpiandraikitry ny bakalorea ireo mpitsara momba ny faneken’ny mpitsara ny fanapahan-kevitry ny tomponandraikitra sy ny fandaminana mifanaraka amin’ izay. Manahy ny fisian’ny ambadika […]

Hasin’ny zaza manga : hiompana amin’ ny asa sosialy

“Anisan’ny kaominina azo lazaina tsy dia mandroso loatra ny kaominina Ambato raha oharina amin’ny kaominina manodidina ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo”, hoy ny filohan’ny fikambanana Hasin’ny zaza manga, Rakotondravao Sarobidy. Anisan’ny manao asa sosialy any an-toerana, hampandrosoana io kaominina io, ny fikambanana izay tarihiny hatramin’izay. Toy ny fanaovana didim-poitra faobe sy ny […]

Kolikoly avo lenta : manjaka ny herisetra ara-nofo

Tranga niseho tamina fianakaviana mahatsiaro hiharan’ny tsindrihazolena no resahin’ity renim-pianakaviana ity. Mahakasika ny fanararaotana ara-nofo nahazo ny zanany, izay nataona mpandraharaha iray. “Novetavetaina, noraviravizana vola ary norahonana mihitsy aza. Farany, bevohokan’ny tovolahy mpandraharaha ilay zanako 16 taona ary noteren’ ilay lehilahy hanala zaza avy eo”. Tsy nanaiky izany ny fianakaviana […]

HCDDED tany Toamasina: “Ilaina ny demokrasia sahaza ny Malagasy”

Nanatanteraka valandresaka tao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina, ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), ny herinandro teo. Niompanan’ny lohahevitra sy nanentana ny mpianatra ny asa sy ny andraikitr’ity rafitra iray ity. Namintinan’ny filoha lefitry ny HCDDED, i James Ramaroson, izany ny […]