Taratra

Fifanakalozana ara-barotra: havaozina alohan’ny taona 2025 ny Agoa

Tapaka fa havaozina mialoha ny taona 2025 ny fifanarahana ara-barotra eo amin’i Etazonia sy ny firenena afrikanina taorian’ny fivoriambe faha-21 natao tany Washing­ton ny 24 hatramin’ny 26 jolay. Vato fehizoron’ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta ny Agoa sady miantoka ny fampiroboroboana ny toekarena aty amin’ny firenena mpisitraka izany. […]

Tompom-pahefana 

  Mamita iraka any ivelany ny delegasiona malagasy tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Mihaza­ka­zaka ny fifanatonana amin’ny samy afrikanina. Omaly no nifarana ny fitsidihana tany Guinée Bissau. Raha ny voandalana, indrindra amin’ny sehatra diplaomatika aloha dia tena mahavelombolo. Manginy fotsiny ny tombom-barotra amin’ny serasera sy fampahafantarana an’i Madagasikara. Any Angola […]

Fivilian-dalana Mahavavy: misokatra ho an’ny fiara rehetra ny RN6 sy RN 5A

Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN 6 sy RN 5A. Fotoana tena ilain’ny mpampiasa lalana izany, indrindra amin’izao fialantsasatra lehibe izao. Vita tanteraka ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezana Mahavavy, PK 568, amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN 6). Misokatra ho an’ny fiara rehetra, nanomboka ny sabotsy 27 jolay teo. Voarakotra […]

TSELATRA

Ankizilahy iray 13 taona natelin’ny ranomasina tao Vatomandry, ny alatsinainy teo. Niaraka tamin’ny fianakaviany teo amoron-dranomasina izy, kanjo natsipin’ny onjan-dranomasina. Niezaka nanavotra azy ihany ny fianakaviana saingy tsy afa-nanoatra. Niditra an-tsehatra nanampy ny fokonolona sy ny zandary. Afakomaly vao hita ny nofo mangatsiakany. Nitrangana firehetana kirihatr’ala teny Antsa­hamanitra, omaly. Niezaka […]

Hamonjy zaikabem-piangonana: mpivady niara-nipitika teny ambony moto

Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ny lehilahy iray ni­tondra moto niaraka tamin’ny ramatoa vadiny teny amin’ny lalam-pirenena faha-12, teo amin’ny PK 84, toerana an­tsoina hoe Ankarampotsy, fokontany Bac Namorona, kaominina ambanivohitra Anosimparihy, ditrikan’i Ma­nanjary, afakomaly maraina. Nampandre ny zandarimaria ny mpamily taksibrosy iray amin’io lalam-pirenena io fa nitrangana […]