Hotohoton’ny afo ny tranovato roa sy tsena hazo maherin’ny folo tao amin’ny fokontany Namahora, kaominina Morondava, ny marain’ny alatsinainy 29 jolay teo. Naheno zavatra nirefotra indroa nisesy ny mponina tao amin’io toerana io, tamin’ny 2 ora maraina. Niredareda tampoka ny afo taorian’izay. Tranombarotra iray niampy toerana fanamboarana telefaonina sy trano […]
Taratra
Hita tao anaty lava-biriky : ramatoabe maty voakapa famaky
Ramatoabe 53 taona maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Nokapaina famaky ny lohany, araka ny fizahana nataon’ny dokotera sy ny mpitandro filaminana. Nahitana diam-pamaky teo amin’ny lohany sady vaky no pempo. Toy ny nizara roa mihitsy izany, nandritra ny fizahana nataon’ny dokotera niaraka tamin’ny zandary. Potika tsy nisy namantarana azy […]
SAMPANA MPAMONJY VOINA : 126 ireo trangana fahamaizana, 35 maty
Nitombo ny trangana famonjena voina nataon’ny Sampana mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Mahatratra 126 ireo trangana famaizana niseho, raha ny tatitra nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy Tsaralalana, omaly. Betsaka indrindra tamin’izany ny trangana haintrano, manodidina ny 80. 9 […]
Madagasikara- Guinée-Bissau : tafapetraka ny fiaraha-miasa lasitra amin’ny sehatra maro
« Pejy vaovao ho an’ny sehatry ny diplaomasia sy ny fiaraha-miasa ary firahalahiana eo amin’i Madagasikara sy i Guinée-Bissau izao nosokafana izao », hoy ny filoha Rajoelina Andry. Nitohy omaly ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, tao Guinée-Bissau. Valin’ ny fanasana manokana nataon’i Umaro Sissoco, filoham-pirenen’i Guinée-Bissau. Sahala […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny fikarohana natao omaly, noraisin’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina, tao amin’ny biraony ry Rakotondrazaka Oceane sy Mayane, mpirahavavy izay voahosotra ho tompondakan’i Afrika U15, taranja tenisy ambony latabatra. Notoloran’ity tomponandraikitry ny tanànana ity mari-pahatsiarovana sy fanomezana moa izy ireo. Notontosaina tao amin’ny Kianja Bika Tsiroanomandidy, nanomboka ny alatsinainy […]




