Nihaona tamin’ny tomponandraikitra tao Nosy Be ny mpisolo toerana ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny masoivoho amerikanina, Julianna Kim, omaly. Nandray anjara tamin’ ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny famarinana olona, tany an-toerana, ny tenany. Nilaza izy fa manantena ny hivadihan’ireo tolo-kevitra ho lalàna izay mitaky sazy hentitra ho an’ireo […]
Taratra
Hatao any Mahajanga ny andro faha-22 : hozaraina ny boky fitsaboana ny homamiadan’ny prostate
Hotanterahina any Mahajanga ny andro faha-22 natokana ho an’ny homamiadana. Ny Association d’appui à la radiothérapie et l’oncologie de Madagascar (Arom) no mikarakara izany. Mandritra ny roa andro, ny 7 sy ny 8 aogositra, ny hetsika any an-toerana, ka hahazo vahana ny famelabelaran-kevitra siantifika miisa 50 eo ho eo, araka […]
TARATRY ny KANTO
Hisy sampan’ny Académie du Hip-hop hisokatra eto Madagasikara. Tohin’ny fandalovan’ilay mpanakanto Grödash, izay sady tale ara-javakanton’ity ivontoerana any Frantsa ity teto izany. Fantatra ihany koa fa i Fyh, izay mpikarakara hetsika manodidina ny Hip-hop no voatendry hitantana izany. Amin’ny zoma 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 8 ora alina, hanatanteraka seho […]
« Festival de Locarno 2024 »: anisan’ny hitsara ny hetsika Razanajatovo Laza
Dingana lehibe ho an’ny tontolon’ny sinema malagasy izao nahavoatendry an-dRazanajatovo Laza ho mpitsara amin’ny hetsika lehibe manana ny maha izy azy maneran-tany izao. Navoakan’ny mpikarakara, omaly, ny anaran’ ireo ho mpitsara ny « Festival de Locarno” andiany faha-77. Anisan’ny mandrafitra ireo vondron’ny mpitsara amin’izany Razanajatovo Laza, talen’ny Rencontre de Film Court […]
Fampianarana: mila omena vahana ny fomba…
… Simba noho ny tsy fahalalam-pomba ny fiarahamonina malagasy. Anisan’ny olana goavana nahatonga izany ny tsy nampitan’ny raiamandreny ny fomban-drazana, ny fomban-tany, ny fombam-piarahamonina, sns, taty amin’ny taranaka mandimby. Ny ankehitriny, rahateo, kamo mikaroka, malaina ny hianatra. Anisan’ny fanarenana mila ampiharina eto Madagasikara ny fanovana ifotony ny fandaharam-pianarana any an-tsekoly. […]




