Taratra

TSELATRA

Lahiantitra 60 taona, voalaza nanolan-jaza vao 5 taona nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Fenoandalana, distrikan’ Betioky Atsimo, ny faran’ny herinandro teo. Nota­nana atao famotorana io lehilahy io raha toa ka manaraka fitsaboana ny lasibatra. Hiakatra fitsarana anio ireo olona 10 voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Allan, ilay ankizilahy 10 taona […]

Manjakaray : Vaky ny fitaratra, fiara iray nisy nitifitra

Nieren-doza ireo vehivavy nandeha tamina fiara iray nisy nitifitra teny Manjakaray, ny sabotsy maraina tamin’ny valo ora. Nahitana diam-bala teo amin’ny fitaratraben’ny fiara… Nihorohoro indray ny mponina teny Manjaka­ray sy ny manodidina, ny sabotsy maraina teo. Nian­tefan’ny bala teo amin’ny fitaratraben’ny fiara nentin’ny renim-pianakaviana iray nia­raka tamin’ireo vehivavy roa namany. […]

Rugby – «Federale 2» : hidona ny JSTA sy ny Stade

Hianoka lalao goavana indray ny mpitia taranja rugby, manomboka rahampitso. Etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena no hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Fédéral 2”. Miisa 4 ny fandaharan-dalao voalahatra amin’izany ka anisan’ny andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ny JSTA Ambondrona sy ny Stade Olympique de l’Emyrne (SOE). Ekipa diso mifankahalala tsara saingy […]