Taratra

Fizahantany : nahatratra 1 828 ny mpitsidika an’Isalo

Anisan’ny toerana tena be mpitsidika ny valanjavaboa­harin’Isalo, faritra Ihorombe. Manana tontolo voahary miavaka tsy fahita raha tsy any an-toerana. Tsy mitsaha-mi­tombo ny mpizahantany tonga any Isalo, izay niakatra 9% tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny 2023. Naha­tratra 1 828 ny mpitsidika nanomboka ny janoary hatramin’ny jona 2024, raha 1 […]

Kimony Morondava : velaran-tany 6 ha nambolena honko

Nankalazaina ny 25 jolay teo, tany amin’ny ala Kimony Morondava, ny Andro iraisam-pirenena ho firaovana ny rohivoahary ala honko. Tanjona, ny hanarenana velaran-tany 6 ha, iarahana amin’ny Vondrona olona ifotony (VOI), miisa 130 any amin’ny faritra Menabe sy Melaky. Nitarika ny fotoana ny governoran’ny faritra Menabe sy Melaky, notronin’ny tomponandraikitry […]

Toekarena : mandrafitra ny 13% ny harinkarena faobe ny fizahantany

Miantoka ny fampandrosoan’ny toekarena ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany. Saingy, mitaky ezaka goavana ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa hanatanterahana izany. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarena eto Madaga­sikara ny sehatry ny fizahantany noho izy mandrafitra ny 13% ny harinkarena faobe. Sehatra iray anisan’ny mampidi-bola eto amin’ny firenena sy miteraka […]

INDRAY MIJERY

Ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hijanona ho ambony hatrany ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra. Tokony hitandrina ireo olona marefo amin’ny izany. Mijanona ho ambony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo amin’izao faran’ny herinandro izao. Avo telo heny hatramin’ny efatra heny ny fetran’ny OMS ny refy rehetra voaray ka mankarary […]

Ambolotarakely: manampy ny ankizy malagasy hiditra an-tsekoly ny OIO

Fikambanana iray ao anatin’ny distrikan’Ankazobe, kao­minina Ambolotarakely ny OIO Allons à l’école. Nahorina tany Roquebrune France, tamin’ny taona 3 febroary 2023, ny fikambanana ary hita ao Ankazobe an-tampon-tanàna. Tanjona ny hanampiana ny mpianatra malagasy eo anivon’ny kaominina sy hanomanana ny hoavin’izy ireo ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. “Ny tsy fahampian’ny […]