Nahavory ankizy maro ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja échecs, izay natao teto an-dRenivohitra, nanomboka omaly. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika any Tunisie izay mahazo ny laharana voalohany isan-tsokajy. Notanterahina nanomboka omaly, hatramin’ny rahampitso, etsy amin’ ny kianja mitafon’ny Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja échecs, sokajy […]
Taratra
Distrikan’Andramasina : omby vositra roa norobain’ny dahalo
Nanaovan’ny dahalo rotsaka alina, norobain’izy ireo ny omby vositra roa tao amin’ny fokontany Ambodivato, kaominina Ambohimiadana , distrikan’ Andramasina, afakomaly. Tsy nahare na inona na inona ny tompon’ omby nandritra ny alina. Nifoha maraina, hataraina ny azy ireo nahita ny valan’ omby efa nadiodio. Nanjavona tao anatin’ny tranony ireo omby […]
ACMIL : 10 taona ny andiany mivantana faha-35
Mankalaza ny nivoahany tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe, ny 25 jolay teo ny andiany mivantana faha-35 misalotra ny anarana «Hiratra». Ny faha-10 taonan’ireto andiany ireto ity nomarihin’izy ireo tao Antsirabe ity. Nisy, araka izany, ireo hetsika samihafa natao hanamarihana ity tsingerintaona ity, toy ny fanolorana mari-pahatsiarovana amin’ny fanatsarana ny […]
Antsiranana : hanao fitsaboana maimaimpoana ny sambo «Arche de la paix»
Tonga ao Antsiranana, omaly, ny sambo « Arche de la paix » avy any Sina. Hitsabo maimaimpoana izany. Efa fanaon’izy ireo izao hetsika izao. Nigadona, omaly, ao Antsiranana ny sambo lehibe iray an’ny firenena sinoa «Arche de la paix», izay natokana ho an’ny lafiny fitsaboana. Tonga nitsena izany ny Praiminisitra […]
VAOVAO TAMBATRA
Tanterahana mandritra ny roa andro ao amin’ ny Hôtel 2 Février any Lomé Togo ny fivoriambe voalohany ny tanora afrikanina momba ny toekarena manga. Horesahina mandritra izany ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fananana asa ary ny fahantrana. Fantatra fa manana sisin-dranomasina 42 000 km i Afrika izay ahitana firenena 54. Feno […]




