Taratra

RN 6 : Taxi-borosy notafihin’ny jiolahy

Nitrangana fanafihana taxi-borosy iray teny amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN 6), ny talata teo. Tao Manerinerina Avaratra no nitranga ny fanafihana, araka ny fanazavan’ireo mpandeha tao amin’ilay taxi-borosy. Fiara miasa ao amin’ny kaoperativa iray mampitohy an’i Mahajanga sy Manerine­ri­na Avaratra ity nisy nanafika ity. Voalaza fa avy any Ma­hajanga ilay taxi-borosy […]

Nahazo 5 tapitrisa Ar : mpisoloky voasambotry ny zandary

Tratran’ny zandarimaria miasa ao amin’ny Tobi-paritra Mananara, ny mpisoloky iray nilaza ho mahay mampitombo vola, afakomaly. Manatona olona mihitsy izy ary mitady izay azony hambakaina amin’io fandrebirebeny io. Mpamboly lavanila iray tao amin’ny Antsirabe-Fotsiarivo, kaominina Analampotsy, Kaominina Mananara Avaratra no lasibatra. Nampiresahana io raim-pianakaviana io ka nampanantenainy fa hitombo vola […]

Mody nividy zava-pisotro: efa-dahy saika handroba “Bar”

Voasambotra avokoa ireo efa-dahy nanambana antsy ny mpandray vola tao amin’ny trano fisotroana iray tetsy Manjaka Ilafy, afakomaly. Mody nividy zava-pisotro toy ny olon-drehetra, efa-dahy nitondra antsy nikasa handroba tao amin’ny toeram-pisotroana iray teny Manjaka, anatin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy, afakomaly. Niara-niditra tao amin’io toeram-pisotroana io izy efatra mirahalahy. Nan­dinindinika ny manodidina, […]

Fadintseranana Malagasy: « Goavana ny fanatsarana, hanamafisana ny mangarahara », hoy ny tale jeneraly

Mpiantsehatra fototra eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny ao amin’ny ladoany. Hisy ny fanovana ho entina, manamafy ny toromariky ny Filohan’ny Repoblika. Manazava ny tale jeneraly ,Lainkavana Ernest Zafivanona. Gazety Taratra (*) : Inona marina Andriamatoa Tale jeneraly no nahatonga ireny fidinana tampoka nataon’ny filohan’ny Repoblika ireny ? Lainkavana Ernest (-) : Manoloana ireo fitarainana […]

VAOVAO TAMBATRA

Voarafitra ny lisitr’ireo sehatra varo-draharaha ekena ho alalahana sy hasina fepetra ho an’i Mada­gasikara. Fahombiazana ny hahafahantsika mitambatra hanatratra ireo fanamby sy fahavononana hampandroso ny firenentsika, amin’ny alalan’ny varo-draharaha hiarahana amin’ny Vondrona eoropeana. Maherin’ny 42 isan-jato miohatra ny fanafarana tamin’ny taona 2021 ny fanafarana menaka fampiasa amin’ny sakafo nataontsika  tamin’ity […]