Taratra

FANTINA sy FINTINA

Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany, afakomaly, ny mpanao politika Soja Jean André na Kelata. Filoha mpanangana ny antoko politika Liarake izy, ary mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika nanomboka tamin’ny taona 2022. Efa loholona sy mpikamban’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) koa izy, ary mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany. Ao anatin’ny fankalaza […]

Fifidianana kaominaly: nahemotry ny Ceni amin’ny 11 desambra ny daty

“Mifantoka ao anatin’ny tontolon’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Ta­nàna ny resaky ny mpisehatra politika. Nisy ny ny volavolan-kevitra naroson’ny Ceni ny governemanta ny amin’ny tokony hanatanterahana izany amin’ny 6 novambra”. Io ny fanazavan’ny mpampakate­nin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fanatanterahana fifidianana kaominaly. Nisy ny taratasy nampi­tain’ny […]

Fanohanana maharitra

  Mahoraka maneran-tany ny lalao olympika atao any Paris, renivohitr’i Frantsa. Raha ny hita amin’ny tambajotran-tserasera dia ambohimpihaonan’ny zanakolombelona ity renivohitry ny “fanazavana” ity. Mahatonga solontena avokoa ny kaontinanta dimy. Ankoatra ny delegasiona izay ahitana ny mpilalao sy ny mpanotrona, mpameno tanàna ny mpizahantany. Manginy fotsiny ireo mpanefoefo mpandraharaha. Manana […]

Fihaonan’ny filoha Rajoelina sy i Macron : niompana tamin’ny fampirobo­roboana ny lafiny toekarena

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny firenena Frantsay. Mbola hampitombo ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny toekarena, indrindra ny angovo ny firenena roa tonta. Tontosa omaly, tao amin’ny Lapam-panjakana Elysée, Frantsa, ny fi­haonana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron. Tanjona ny […]

TSELATRA

Moto scooter iray potika tanteraka niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalan’Ambohitri­man­jaka, omaly atoandro. Naratra ny mpandeha roa tamin’io moto io. Fiara tsy mataho-dalana iray no nifandona tamin’izy ireo. Hita tsy lavitry ny tanàna saingy efa tsy nisy maso intsony ny lohan’ilay lehilahy nisy nanapa-doha tao Antanimieva, distrikan’ i Morombe, ny alarobia […]