Nigadona omaly maraina any Paris, Frantsa, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Hisy fihaonana manokana eo aminy sy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, ao amin’ny Lapam-panjakana Elysée, anio hariva. Aorian’izay, hanatrika ireo lanonam-panokafana ny lalao olympika 2024 izay nanasana filoham-pirenena maro izy. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny handraisan’i […]
Taratra
Depiote Rakotoniaina Pety: “Minisitra hanao ny asa isam-paritra no ilaina”
“Ho anay solombavambahoaka, mila minisitra hanao an’ireo asa tena ilain’ny isam-paritra izahay”, hoy ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny tsy miankina tany Ikalamavony, Faritra Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, ny amin’ny fandrafetana governemanta vaovao sy izay asa andrasana amin’ny minisitra. Inona moa no zavatra andrasana amin’ny governemanta? Hanao an’ireo asa […]
Fafao ny tokotany
Nanakoako ny fidinana ifotony nataon’ny filohan’ny Repoblika teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny talata lasa teo. Nihazakazaka ny fandraisana ny fanapahan-kevitra teny an-dapa. Voakasik’izany avokoa ny mahakasika ny ady amin’ny kolikoly, ny famotsiam-bola, ny ady amin’ny hosoka sy ny fanararaotam-pahefana. Samy manadio ny tokotaniny avokoa ny mpiantsehatra eny an-toerana na […]
Seranam-piaramanidina Ivato : hentitra ny fanadiovana, olona roa no hohadihadiana
Mihatra avy hatrany. Izay ny fepetra iadiana amin’ny kolikoly eny amin’ny serenam-piaramanidina, Ivato, nanaovana filankevitra ny minisitra notarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, afakomaly, taorian’ny fidinana ifotony. Nomarihiny fa misy anarana tomponandraikitra roa miverimberina amin’ny resaka kolikoly, ka hohadihadiana manokana. Hiato avy hatrany amin’ny asany aloha izy ireo, ary […]
TSELATRA
Ankizivavy mpianatra niharan’ny fanendahana tao anaty taxibe teny Antohomadinika, afakomaly atoandro tamin’ny 1 ora. Tsy afa-nihetsika, norahonan’ny lehilahy iray nanao fanamiana mihaja teo akaikiny izy. Raiki-tahotra, lasa avokoa ny zava-tsarobidy teny amin’ilay mpianatra. Olona enina voasambotra vokatry ny fanaovana hosoka nandritra ny fanadinana Bakalorea tao amin’ny CEG Andranonahotra, afakomaly. Mpampianatra […]




