Taratra

Ping pong – Tompondakan’i Afrika: nahazo ny laharana fahatelo i Madagasikara

Nahavita zavatra goavana nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tany Botswana ny ekipa malagasy, ny herinandro lasa teo. Manana fanamby ny hiatrika lalao maneran-tany izy ireo. Tsara ny vokatra! Mada­gasikara no nahazo ny laharana fahatelo ta­min’ireo firenena 17 nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, […]

Soavina : tratra ilay tovolahy nangalatra vola vidina kisoa

Tratran’ny zandarimaria ny tovolahy iray nangalatra vola vidina kisoa nitetina an-tapitrisany tao Isaingy, kaominina Ampanefy, afakomaly. Niasa tao amin’ny mpampiasa anatin’io kaominina io izy. Nahalafo kisoa izay ompiany ao an-tanàna ny mpampiasa ka nanomboka hafahafa ity tovolahy ity, ny 13 jolay teo. No­robainy tokoa ny vola vidin’ny kisoa. Nandositra izy […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanondraka tanimbary 140 ha ny tohodrano any Manomboarivo, distrika Ambalavao, aorian’ny fa­narenana, raha 42 ha ihany teo aloha. Misy lemaka hafa koa efa hita, afaka hanondraka 1 680 ha rehefa vita raha 545 ha no vitany, ankehitriny. Manatanteraka izany ny fandaharanasa Defis, vatsian’ny Fida vola. Tonga teny Ambohijatovo Ambony sy […]