Taratra

Bakalorea : mpianatra efatra tratra nangala-tahaka

Vao manomboka ny andro voalohany, mpianatra efatra mianadahy sahady no sarona tamin’ny alalan’ny fampiasana finday mba hangalana tahaka ny laza adina. Iray tao amin’ny ivontoeram-panadinana Ly­cée Jacques Rabemanan­jara Toamasina, afakomaly, raha tao amin’ny ivontoeram-panadinana ao Brickaville kosa ny telo. Tao anatin’ny angom-baovao no nahafan­tarana fa alain’izy ireo sary amin’ny finday […]

Ambositra : lehilahy iray hita faty

Namoy ny ainy irery teny an-dalana ny lehilahy iray 30 taona tao Andranovory, fokontany Tsarahasina, kaominina Ambositra, omaly. Manana aretina mitaiza izy, araka ny nambaran’ny fianakaviany. Misy fotoana miseho tampoka, araka izany, io trangan’aretina io. Nianjera tsy nahy tamin’ny sisin-dalana vokatr’izany io lehilahy io. Tsy nahatsiaro tena intsony taorian’izay. Ny […]

Naiditra eny Tsiafahy: ny sakaizany ihany no namono an’i Miah

Notanana vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly, ilay lehilahy nahavan-doza namono nahafaty an’i Miah teny Nanisana. Voasambotry ny polisin’ny BC2 andro vitsy taorian’ny fahafatesan’io tovovavy io ity sakaizany nahavanon-doza ity. Nosarontsaromana ta­min’ny lozam-piarakodia, tratra ihany ny tompon’atoka mivantana tamin’ny fahafatesan’i Miah, ilay tovovavy fanta-daza tamin’ny fi­lalaovana “Echecs”. Ny sakaizan’io tovovavy […]

Rugby – «Top 20»: hifindra etsy Malacam ny fifaninanana

Hotanterahina etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ny fifaninanana “Top 20, taranja rugby”. Antony, mba tsy hampitarazoka ny lalao izay mifanindran-dalana amin’ny “Top 12”. Manomboka ny alahady 28 jolay ho avy izao, hifindra etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondaka ho an’ny “Federal 2” na ny “Top […]

TARATRY ny KANTO

«Concert best of 110 ème STK». Seho an- tsehatra hotontosaina eny amin’ny FJKM Ambaniala Malala. Ny Sampana tanora kristianina ao an-toerana no hihira ny sanganasan’i Henri Ratsimbazafy, Ndrantoson Georges, Bessa, Noel Rakotoarivony, Mamiharilala Rasolojaona, Dr Miharilaza Andriamiadamahatratra, Aimé Raoeliarijaona. Seho an-tsehatra hiarahan-dry zareo amin’ny Elsie, Mahery ary Lilie. Hitendry ny […]