Hapetraka eny anivon’ny sekoly rehetra ao anatin’ny faritra Atsinanana ny fikirakirana ny tolotra niomerika iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Unité de gouvernance digitale (UGD). Tanjon’ny tetikasa ny hanatsara ny kalitaon’ny fanabeazana, amin’ny alalan’ny fikirakirana ny tolotra sy fitaovana niomerika. Manohana ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena, araka ny fanazavana azo. Hitondra […]
Taratra
Fikarakarana fifidianana: nankasitrahin’ny Pnud ny ezaky ny Ceni
Noraisin’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny alarobia, ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana (ONU), i Issa Sanogon, omaly. Nankasitrahany tamin’izao fihaonana teo amin’ny roa tonta izao ny asa vitan’ity rafitra mpikarakara ny fifidianana ity. Anisan’ireo fiaraha-miasa lehibe teo amin’ny Ceni sy ny rafitry ny ONU ny tetikasa antsoina hoe […]
Drafitrasa stratejika 2018- 2027: nanamafy ny fanatanterahana izany ny fitondram-panjakana
Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny tetikasa fanavaozana ny sata sivily sy ny fiarovana ireo angon-drafitra manokan’ny olom-pirenena tsirairay avy. Nisy ny atrikasa hoentina manatanteraka izany. Tontosa, omaly, teny amin’ ny Hotel Colbert Antaninarenina, ny atrikasa nokarakarain’ny Programme de reforme pour l’efficacité de l’administration (PREA) sy ny minisiteran’ny Atitany. Izany indrindra […]
Fiombonana : “Ilaina ny fifandanjam-paritra”
“Rehefa miresaka lehiben’ ny andrimpanjakana, tokony hipetraka hatrany ny fifandanjam-paritra.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin. Efatra ny lehiben’ ny andrimpanjakana : ny roa avy eto Antananarivo, ny roa avy any avaratra. Hadino tanteraka ny any atsimo. Raha hanome tsiny ny antoko momba ny nanendrena […]
MMM: Miantso ny fandraisana andraikitry ny rehetra
Nivahiny tao amin’ny fahitalavitra Global Africa Télé Sud ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, ny alatsinainy teo. Nambarany fa efa mihatra eto amin’ny firenena ny fahapotehana amin’ny lafiny rehetra. Nohitsiny ho anton’izany ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Tsy demokratika intsony koa i Madagasikara, araka ny nambarany. Nanteriny fa natao […]




