Taratra

Vaovao tambatra

Maherin’ny 1 miliara euros ny totalin’ny fifanakalozam-barotra eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa, nandritra ny taona 2023. Mitana ny laharana faharoa amin’ny fanjifana ny entana vita malagasy ny firenena frantsay ary laharana fahenina amin’ny fama­tsiana an’i Madagasikara. Manodidina ny 20% kosa ny famatsiam-bola ataony eto amin’ny Nosy. Mitana ny laharana […]

Fampandrosoana maharitra : vonona hanatratra ny ODD i Madagasikara

Vonona hanatratra ny tanjon’ny fampandrosoana ma­haritra (ODD) ho an’ny taona 2030 i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Fihaonambe politikan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana maharitra (FPHN 2024), tany New York, ny 8 ka hatramin’ny 17 jolay. Nitarika ny delegasiona malagasy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika sy ny minisitry ny Tontolo iainana […]

Ny olombelona aloha !

  Milamindamin-dratsy ny tanàna. Mangingina ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Tsy handrenesam-peo firy ny harom-paosy sy ny fanendahana izay nampitondra faisana tanatin’ny fotoana naharitra. Somary mihena ny vaovao mahakasika ny halatra any ambanivohitra. Nihena ihany koa ny ranty momba ny fanolanana izay saika isan’andro teny amin’ny tambajotran-tserasera. Miasa amin’ny […]

TSELATRA

Fiara marika starex iray hotohoton’ny afo tetsy Vontovorona, omaly. Niditra tany amin’ny toeram-pianarana ny tompon’ny fiara. Nirehatra tampoka anefa ny fananany ka niezaka nifehy ny afo ny nanatri-maso. Levon’ny afo tanteraka ilay fiara. Fiara roa nifandona ka potika tanteraka ny lohany tetsy Ampandrianomby, omaly. Nandeha mafy ny iray tamin’ireo fiara. […]