Taratra

Fifidianana ben’ny Tanàna : tsy miova ny tolo-kevitry ny Ceni, 6 novambra

“Ny volavolan-kevitra na­roson’ny Ceni eny anivon’ny governemanta ny amin’ny andro hanaovana ny fifidianana kaominaly dia ny 6 novambra. Miainga avy amin’izay, misy ireo tetiandro mifamatotra amin’ny asa takin’ny fanomanana sy fikarakarana an’izay fifidianana izay”. Io ny fanazavan’ny mpampakate­nin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, afakomaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly. […]

Miova raha!

  Tao anatin’ny andro vitsy, mahavelombolo ny fihazakazaky ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa isan-karazany eto amin’ ny tanàna. Izay vao hita taratra ny firidan’ny lamasinina aingam-pandeha. Efa miridana atsy ny fanamboarana ny lalambe migodàna.  Mijoalajoala sy mahavelombelo ny hopitaly manara-penitra ara-bakiteny. Efa mahavita mandidy fo ny Malagasy manam-pahaizana! Miaraka amin’ny fitaovana raitra. […]

Fiaraha-miasan’ny Pnud sy ny MFFT : hohatsaraina ny asam-panjakana eny ifotony

Anisan’ny ho vaindohan-draharahan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny fanatsarana ny asam-panjakana eny ifotony. Iraha-miasa amin’ny Pnud izany Notanterahina, afakomaly, tetsy amin’ny FDL Anosy, ny fihaonana voalohany teo amin’ireo mpiara-miomban’antoka ho an’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ny faritra. Ani­san’ny nitarika izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), […]

TSELATRA

Naratra mafy ny vehivavy iray nendahin’ny jiolahy teny Anosy, omaly. Teo am-piandrasana taxi-be vao maraina izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy telo nitondra antsy. Lasan’ireo mpanendaka ny finday niaraka tamin’ny poketra teny aminy. Lasa nitsoaka ireo mpanendaka taorian’izay. Ravan’ny polisy ny tambajotran-jiolahy mpamaky trano ao Sambava. Nisy andian-jiolahy mpanao fanafihana miharo […]

Naratra mafy : vehivavy notsindromin’ny jiolahy sabatra

Voasambotry ny zandary ao amin’ny Poste fixe Ambalavao, omaly, ireo jiolahy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanendahana sy fandratrana tovovavy iray 21 taona, tao Ambalavao Atsimondrano. Hitan’ny olona naratra mafy teo amoron-dalana, teo amin’ny toerana antsoina hoe Wagon, fokontany Amboniandrefana, kaominina Ambalavao, ity tovovavy niharam-boina ity. Niantso zandary avy hatrany […]