Taratra

Fifandanjan-kery eny Tsimbazaza: depiote tsy miankina miisa 45 hanohana ny fitondrana

Tapa-kevitra tanteraka. Na­nao fanambarana, omaly, ireo depiote miisa 45, voafidy tamin’ny tsy miankina fa hanambatra hery ka hanangana vondrona parlemantera eny amin’ny Antenimie­ram­pirenena. Nambaran’ny depiote Rakotoniaina Pety sy ireo namany fa mitovitovy hevitra avokoa izy ireo ka nivory ary izao tapa-kevitra izao. “Anto-pisian’ny solombavambahoaka ny hitondra ny hetahetan’ny distrika nahavoafidy […]

Filoha lefitra fahafito eny amin’ny antenimiera: hiady ny toeran’ny mpanohitra eny Tsimbazaza ny Tim

Hifamotoana eny amin’ny Magro Tanjombato ireo mpikatroka eo anivon’ny Tim, ny sabotsy izao. Eo ny fanamarihana ny faha-22 taon’ny antoko fa anisan’ny andrasana koa ny hevitr’izy ireo momba ny eo anivon’ny Antenimierampirenena. Mbola ifandroritana? Mivonona ny haka ny toeran’ny filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Ante­nimierampirenena ny eo anivon’ny antoko Tim. […]

Vondron’ny depiote tsy miankina : “Tsy nisafidy ny ho mpanohitra izahay”

“Tsy nisafidy ny ho mpanohitra izahay, ary tsy nirotsaka koa tamin’ny Irmar izay nanana ny kandidàny”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Vohi­pe­no, faritra Fitovinany, Raza­fi­tsi­ala Velomanana Solomampio­no­na, ny amin’izay toeran-dry zareo eny anivon’ny Anteni­mie­ram­pirenena. Ao anatin’izay hoe tsy miankina izay no mi­asa, fa afa-miara-miasa tsara amin’ny […]

Antenimierampirenena : firaisankina ny filoha lefitra fahafito

“Raha ny lalàna, manery ny eto anivon’ny Antenimie­ram­pirenena fa tsy maintsy omena ny mpanohitra izay filoha lefitra fahafito izay”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Ante­ni­mierampirenena mpisolo toe­rana, Rabenirina Jean-Jacques, teny Tsimba­zaza, omaly, momba ny toeran’ny mpanohitra eny Tsimbazaza. Filoha lefitra iray isaky ny faritany, ary ho an’ny mpanohitra ny filoha lefitra […]