Taratra

Antsirabe: vehivavy mpisoloky voasambotra

Ramatoa tompon’atoka tamin’ny fisolokiana voasambotry ny zandary tao Mahafaly, kaominina Antsirabe, afakomaly. Milaza ho mpiasan’ny orinasa iray ny tenany, ka norebireben’io ramatoa io ireo olona naniry hiasa ao. Nilaza fa hanokatra tobim-pahasalamana ao amin’ny kaominina Ambatolahy ny orinasa hiasany ka vitany ny mampiditra mpiasa amin’izany. Nangalany vola mitotaly 45 000 Ar […]

Hita faty tao anaty kirihitra : lehilahy tsy nisy voamaso sy hodi-tava

Niendaka avokoa ny hodi-tavany, tsy nisy voamaso intsony ary trobaka ny tendan’ny lehilahy iray hita faty tao anaty kirihitra, tao Fianarantsoa, omaly. Novonoina izy, araka ny fanadihadiana. Raim-pianakaviana nila ravinkazo no nahita fatin’olona efa simba tanteraka tao anaty lobolobo, ao amin’ny fokontany Bete­ravola, Fianarantsoa, omaly. Niondrikondrika naka ravinkazo vao maraina […]

“Revirevy mody masoandro”: hiditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika

Hahazo tombony indray ireo mpankafy vazo miteny sy ny mozikan’ny taona 80. Noezahin’ny mpikarakara hifaranaka amin’izay maha revirevy azy izay ny fizotran’ny fampisehoana amin’io fotoana io hahatanteraka ilay hoe “Revirevy mody masoandro”. Hotanterahina ny alahady 28 jolay 2024, eny amin’ny Centre de Con­f­­érence International (CCI) Ivato, ny fampisehoana “Re­virevy mody […]

Lycée teknika : Tapitra androany ny fanadinana BEP

Hifarana androany, izay naharitra efatr’andro, ny fanadinana Brevet d’études professionnelles (BEP) ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa manerana ny Nosy. Raha toa ka efa tapitra omaly kosa ny Certifi­cat de fin d’apprentissage (CFA) ho azy ireo. Fanadi­nana ara-panjakana natokana ho an’ireo nisafidy ny làlam-piofanana arakasa ny diplaoma BEP. […]

Mpisolovava, sampana Toliara : nahazo trano fiasana vaovao

Notokanana ny zoma 28 jolay lasa teo ny trano vaovao an’ny Holafitry ny mpisolovava, sampana Toliara. Tonga nitokana izany ny filohan’ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara. Nanotrona azy tamin’izany ireo mpanolotsaina mandrafitra ny biraon’ny holafitra sy ireo mpisolovava any an-toerana. Teo koa ireo manampahefana avy any an-toerana. Nanentana ny olona […]