Taratra

Minisitra Andriantsitohaina Naina : « Mila arovana amin’ny taniny ny Malagasy »

Nitohy ny fidinana ifotony nataon’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, any Atsimo Atsinanana, omaly. Nihaona tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny tenany, tamin’izany. Vory lanona tamin’izany ireo mpiasan’ny fari-piadidian’ny MFFT avy amin’ny sampandraharahan’ny fandrefesan-tany sy ny fananan-tany ary ny fanajariana ny tany ao amin’ny distrikan’i […]

INDRAY MIJERY

Efa manomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinana BEPC ny talata lasa teo, hoy ny minisite­ran’ny Fanabeazam-pirenena. Manao ny ezaka rehetra ny minisitera amin’ny fivoahan’ny valim-panadinana faran’ izay haingana. Misy ny laharana maitso 921 azo iantsoana mivantana ny minisitera raha sendra misy tranga tsika­ritra mahakasika ny fanadinana sy ny fanabeazana. Tsy ny […]

Manoloana ny fahantrana : lasa entam-barotra ny ankizy

Mitaky ezaka amin’ny lafin-kery rehetra ny ady amin’ny fampiasana ankizy eto Mada­gasikara. Mbola maro ireo ankizy lasibatra vokatry ny fahantrana ka voatery miasa na lasa entam-barotra mihitsy. Niresaka manokana momba ny ady amin’ny fampiasana an­kizy ny mpitsara ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mahajanga sady lefitry ny lehiben’ny fampanoa­vana, Rasoahasinjara […]

Sehatry ny rano : hampirisihana hiditra ny tanora

Notanterahina tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina, afakomaly, ny atrikasa momba ny filana sy fanofanana ny asa mahakasika ny rano eto Madagasikara. Atrikasa tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Defi eau”. Fandaharanasa eoropeanina hametrahana Sampam-pampianarana momba ny rano eny amin’ny Oniversitem-panjakana manerana ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy. “Ho fampiofanana sy fampirisihana ny tanora […]

Sendikan’ny MEETFP: “Mitaky minisitra manana traikefa izahay”

Nilatsaka sahady ny fampiomanana. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikàn’ny Fampia­na­rana teknika sy fanofanana arakasa (ST MEETFP), omaly. Nambaran’ny sekretera jeneraly nasionaly, Rakotoarison Claude Marie, nanao sonia izany, fa tena nitotongana ny sehatry ny fampianarana teknika nandritra ny taona maro. Manoloana izany, nametraka fepetra sy masontsivana izy ireo amin’ny fanendrena […]