Taratra

TSELATRA

Maty voatifitry ny polisy teny Marais Masay i Dodol, jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-piadiana, ny sabotsy 15 jona teo. Niara-nametrahan’ny polisy vela-pandrika io olon-dratsy io sy ny namany roa lahy saingy tafaporitsaka ireo mpiara-manao ny asa ratsy aminy. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao […]

Nahatrarana PA sy bala dimy : mpivarotra basy voasambotry ny zandary

Fototry ny tsy fandriampahalemana, nataon’ny zandary hazalambo ka voasambotra ny lehilahy iray mpivarotra fitaovam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambonivato, kaominina ambanivohitra Ambodi­manga II, distikan’i Fenoarivo Atsinanana. Manoloana ny fanafihana mitam-piadiana mi­tranga ao amin’io distrika io, namolavola paikady hanatrarana ireo mitam-basy tsy ara-dalàna ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Naharay loharanom-baovao izy ireo […]

60 lahy nanafika : maty voatifitra i Dadimainty

Dahalo enina lavon’ny balan’ny zandary sy ny Tafika nanao hazalambo nandritra ny halatra omby tao amin’ny fokontany Ampilokely, kaominina ambanivohitra Befandriana Atsimo,distrikan’i Morombe, ny 14 jona teo. Anisan’ireo maty voatifitra i Dadimainty. Dahalo 60 lahy indray nanafika tao amin’io tanàna io. Nikasa handroba ny omby rehetra tao am-bala ireo olon-dratsy […]

Royal Chapel International : nihanoka vavaka sy hira fiderana ireo mpiangona

Anisan’ny ahafantarana ireo fiangonana voasokajy ho zandriny ny hira mampientanentana. Izany indrindra no hita teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena nandritra ny fotoam-bavaky ny fiangonana Royal Chapel International. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny ko­lon­tsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny hetsika lehibe nampitondraina ny lo­hahevitra  « Madagasikara ho […]