Taratra

Silamo – Aïd al-Adha : tsy nanadino ny nivavaka ho an’ny firenena

Nankalaza ny fetin’ny Aïd al-Adha ny mpino silamo rehetra, afakomaly. Nomarihina tamin’ny fiaraha-mivavaka te­tsy amin’ny moske 67 ha izany. Zava-dehibe izy io satria fahatsiarovana ny na­naovan’i Abrahama sorona ny zanany lahy tokana, i Ismaelà. “Rehefa tsapan’ny Tompo ny fahavononan’io mpaminany lehibe io dia nosoloiny ondry izany”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny […]

Yali RLC : tanora 13 lasa any Afrika Atsimo

Andiany faha-24 ny programan’ny fandaharanasa Yali Regional Leadership Center (RLC). Tanora malagasy 13 mianadahy no voafantina hisitraka izany izay atao any Afrika. Nahavita fiofanana ampitain-davitra nandritra ny roa herinandro izy ireo, ary vao tonga any Afrika Atsimo, hanaraka fiofanana mandritra ny 3 herinandro indray. Rehefa tafaverina eto Madagasikara ireo tanora […]

ONG Stem for good : mangataka ny handraisana ny «robotique» ho fanatanjahantena

Hiompana amin’ny fanodinana maharitra ny vokatra ho lasa sakafo ny lohahevitry ny fifaninanana “First Global Challenge 2024” any Athènes. Hitondran’ny tanora mpifaninana vahaolana mifototra amin’ny robotique ny hampitomboana ny vokatra sy hitsinjarana ara-drariny izany, ary tokony ho ao anatin’ny fanajana ny tontolo iainana. Mangataka ny governemanta malagasy ny ONG Stem […]

Angovo eto Madagasikara: Ambany ny taham-pisitrahana herinaratra

Mbola ambany ny taham-pisitrahana herinaratra eto Madagasikara. Ny taona 2022, manodidina ny 36% izany, izay mametraka ny firenena eo amin’ny laharana fahasivy amin’ireo firenena zara raha misitraka angovo, araka ny tatitra navoakan’ny Tanjona fampandrosoana lovainjafy ODD fahafito (ODD 7) na ny « Tracking SDG 7 ». Misahana manokana izany fanadihadiana izany ny […]

Fadintseranana malagasy : hamafisina ny fanaraha-maso ny sisintany

Hisy ny fanatsarana entin’ny fadintseranana amin’ny fiambenana ny sisintany sy ny fari-dranomasina. Hampiasa fitaovana raitra sy hanamafy ny lafiny fifaneraserana amin’ny mpanjifa izy ireo. Anatin’ny fanatsarana ny fomba fiasa ny eo anivon’ ny fadintseranana mala­gasy, ankehitriny. Hiompana amin’ny fanamafisana ny fiambenana sy ny fanaraha-maso ny sisintany izany. Hiroso amin’ny fampiasana […]