Taratra

Afo Olympika tao La Réunion : nanatrika ny fandalovany i Madagasikara

Nandalo tany amin’ny nosy rahavavy La Réunion, ny herinandro lasa teo, ny afo ho an’ny lalao Olympika «JO 2024». Anisan’ny nanatrika izany i Madagasikara, tamin’ ny alalan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) mpisolo toerana, Ramonjavelo Valéry, sy ny tale jeneralin’ny fanatanjahantena, Rakotozafy Rosa. Sambany i Madagasikara no nahazo […]

JCBA-Game Day: hanomanana ny fifaninanam-pirenena 2024

Hotanterahina ny 22 hatramin’ny 25 jona izao, ny fifaninanana “Game Day”, taranja basikety, karakarain’ny klioban’ny JCBA. Toy ny isan-taona, miezaka mandray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena, amin’ny sokajy rehetra ny klioban’ny JCBA, taranja basikety. Miezaka ihany koa ity klioba ity ny hitady vokatra tsara hatrany sy hampitombo ny lentan’ny mpilalao ao aminy. […]

FANTINA sy FINTINA

Nanao veloma ny Praiministra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ny solontenan’ny FMI, i Mokhtar Benlamine, rehefa niasa roa taona teto amintsika. Nifantohan’ny dinika ny jery todiky ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Nambaran’ny vahiny fa nahafa-po azy ny fiaraha-miasa tamin’ny filohan’ny Repoblika sy ny governemanta. Niatrika fihaonana iraisam-pirenena tany Autriche, […]

Ramamimampionona Gérard: «Fampandrosoana no tena vokatry ny fifidianana»

“Ny tena voka-pifidianana dia tonga marina any amin’ny olona izay nomen’ny vahoaka fahefana na nofidiny ny fahefana, ka hampiasainy ho fampandrosoana ny vahoaka?”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, amin’izao fiandrasana valim-pifidianana depiote izao. Tena hampiasan’izay nofidina na ny fahefana nomena azy amin’izany, ka miara-mientana ho amin’ny fampandrosoana […]