Tontosa omaly ny rallye FMMSAM, dingana voalohany, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, fifaninanana manamory fiarakodia. Norombahin’i Mathieu sy i Andry Tahina, mpanamorin’ny klioba ASACM, nitondra ny fiara subaru, ny fandresena tamin’ity. Vitan’izy mirahalahy tao anatin’ny 1 ora 28 mn 25, 8 % ny fifaninanana. Saika nitarihan’izy mirahalahy ireo avokoa […]
Taratra
Karate – Fifanintsanana Afrika Atsinanana: Medaly volamena 5 sy volafotsy 1 azon’i Madagasikara
Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy mpikatroka karate, sokajy lehilahy, ny sabotsy lasa teo, teny Mahamasina. Saika azon’izy ireo avokoa ny laharana voalohany teo amin’ ny Kumité raha toa ka 100% ny Kata. Notanterahina, afakomaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny lalao famaranana, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, taranja […]
TARATRY ny KANTO
Nodimandry, omaly, i Zakanirina Emile, Malagasy mpilalao sarimihetsika. Dadamanga no ahafantaran’ny maro, indrindra ny mpankafy sarimihetsika, azy. Anisan’ny nahitana azy ny sarimihetsika “104”, “Adisanina”. Tazana teny anivon’ny tambajotra sosialy ihany koa izy nanao horonantsary mampihomehy tao anatin’ny “Samy Gaigy”. Misokatra ho an’ny rehetra, eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny fampirantiana […]
Hatsikana: mitombo ny mpanaraka ny « Antan’art enina »
Hetsika anisan’ny mahomby sy mamaly ny filan’ny mpiangaly ny hatsikana, indrindra ny Stand Up, ny “Antan’art enina”. Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny mpikarakara Tanterahina isaky ny tolakandron’ny alahady, eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny «Antan’art enina». Hetsika fampisehoana hatsikana, karakarain’ny fikambanana Be Tige. Natao ho an’ireo mpiangaly hatsikana, indrindra ny Stand […]
Hamelona ny fahiny : hihira Kintana Telo ry Johary
Mbola eo i Salomon… Saingy efa fotoana ela kosa no nandaozan’i Romule sy i Ghaby ny sehatra, ka tsy nitohy ny lalana ho an’ny tarika Kintana Telo. Nisy fotoana ihany nisian’ny tetikasa Diarin’ny Kintana Telo, saingy nangingina ihany koa taty aoriana. Hafaliana ho an’ny mpankafy rehetra kosa ny nahenoana ity […]




