Taratra

TSELATRA

Naratra mafy ny lehilahy iray nandeha bisikileta notrongisin’ny taxi-be teo Soanierana, omaly tolakandro. Mafy ny fifandonana satria tafatsofoka tao ambany fiara mihitsy ilay bisikileta. Nipitika ihany koa ilay lehilahy ni­tondra azy. Naratra mafy izy ka voatery nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao fanadihadiana. Tapaka nandritra ny […]

Ady amin’ny fakana an-keriny: nanao bemidina tany Amparafaravola ny Emmo/Nat

Nitsidika ny kaominina Mo­rarano Chrome, distrikan’Am­parafaravola, ireo solontena avy ao amin’ny Emmo/Nat, ny sabotsy teo. Nomena toromarika ireo mpitandro filaminana miantsehatra eny an-kianja amin’ny hanamafisana ny ady amin’ny fakana an-keriny. « Tanjona amin’izao fidinana ifotony izao ny fanamafisana ny ady amin’ny fakana an-keriny amin’iny faritra iny », araka ny fanazavan’ny mpitarika ny […]

Ilafy: mpanendaka taxi-moto voasambotra

Tra-tehaky ny polisy teny Ilafy, kaominina Ankadikely, ny 6 jona teo, ny mpanendaka taxi-moto iray. Nanakana mpanao taxi-moto teny Anosizato ny lehilahy iray, ny 3 jona. Nilaza hoentina eny Androhibe, boriborintany fahadimy izy. Nambanany antsy tampoka anefa ny mpitondra moto. Note­reny hamoaka ny vola rehetra teny aminy ny lasibatra. Tsy […]

Rugby – “XXL Top 12” : Adin’ny boaty sy kartie ny an’ny TFA sy ny Uscar

Hitohy rahampitso, etsy amin’ny kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”. Telo ny lalao voalahatra amin’izany ka anisany hahasarika ny sain’ny mpanaraka ity fifaninanana ity ny fifandonan’ny TFA Anatiha­zo sy ny Uscar. Adin’ny boaty sy ny kartie ny fihaonana ka samy […]