Taratra

Kolontsaina Festival anaty elakelatrano: niaina ny kanto mampiray ny mponin’i Besarety

Tsy ny tatatra tsentsina na ny rano miakatra na ny fitohanan’ny fiara ireny intsony no azo resahana momba an’i Besarety. Niaina ny kolontsaina mampiray izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Raha mandalo amin’iny Besarety iny ianao, indrindra raha anatin’ny fitohanan’ny fiara, manam-potoana tsara hankafizana ny kisary amin’ny rindrin’ny EPP… Tsy […]

FANTINA sy FINTINA

Mitarika vonjimaika amin’ny fironan’ny voka-pifidianana avoakan’ny Ceni ny kandidà tsy miankina sady depiote am-perinasa, Randrianasolo Jean-Nicolas, ao amin’ny distrikan’i Betroka, faritra Anosy, araka ny nambarany. Matoky ny Ceni foibe sy ny HCC izy, ary miandrandra ny hisian’ny fitoniana. Manaitra sy miantso ny mpisehatra rehetra tamin’ny fifidianana depiote amin’ny fitandroana ny […]

Faritra Sava : nomena fitaovana ny Hotel des finances

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tany Samba­va, faritra Sava, ny fitokanana ny efitrano ho an’ny kajy mirindra, ao amin’ny Hotel des finances ao an-toerana. Fi­taovana momba ny haitao ara-kajy mirindra maro samihafa no natolotra tamin’izany, niaraka amin’ny efitrano, izay avy amin’ny fitarihan’ny Insti­tut national de développement Local (INDDL), notohanan’ny USAID […]

Tsy tan-dalàna

  Hosoka, hala-bato… Izany no ifandroritana eo amin’ny tontolo politika amin’izao. Mandeha avokoa amin’izany ny karazana fanoherana, fikomiana, tsindry… Fanaratsiana sy fampitahorana ary fanakorontanana fotsiny izao aza ny an’ny sasany. Ho tonga hatraiza? Misy tsy mahay mijery na tsy mahita afa-tsy lafiratsin-javatra: manahy tena fa tsy manantena amin’ny voka-pifidianana depiote? […]

Famoahana voka-pifidianana: isaky ny biraom-pifidianana no angatahin’ny KMF/Cnoe

Ny fitoniana sy filaminana no angatahina amin’ny rehetra, amin’izao ankatoky ny fivoahan’ny voka-pifidianana izao. Samy naneho hevitra ny kandidà rehetra ary samy teny anivon’ny Ceni nanara-maso. Hamoaka ny voka-pifi­dianana vonjimaika ny Ceni rahampitso. Hanao ahoana? “Samy nandeha teny amin’ny Ceni ireo kandidà ho depiote. Samy mi­laza izy ireo fa misy ny […]