Taratra

Tetikasa ODOF: hiara-hiasa i Mada­ga­si­kara sy i Alemaina

Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny taninketsa indostrialy. Vonona hiara-hiasa amin’ny firenena malagasy ny masoivoho Alemaina amin’ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Voasoritra nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny varotra sy ny fanjifana (MIC) sy ny masoivoho alemà, Michael Häusler, omaly, tetsy Ambohidahy, ny momba ny paikady hanatanterahina […]

SIAE andiany fahatelo: mivelatra amin’ny fampihaonana ny mpandraharaha

Taorian’ny fahombiazan’ireo hetsika roa voalohany, « Salon international des acteurs économiques » (SIAE), hivelatra kokoa amin’ny fampihaonana ireo mpandraharaha ny hetsika andiany fahatelo izay hanomboka ny alarobia izao, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka. Hiavaka tanteraka ny ranty iraisam-pirenena momba ireo mpisehatra ara-toekarena (SIAE) amin’ity andiany fahatelo ity. Hivelatra kokoa amin’ny […]

Ladoany: Ampiasaina ny E-Tariff Tool

Mampihatra ny fandoavan-ketra amin’ny internet ny fitantanana foibe ny fadintseranana, amin’ny alalan’ny E-Tariff Tool. Manohana ny fanatanterahana azy ny Fikambanana iraisam-pirenena mahakasika ny ladoany (OMD). Azo ampiasain’ny besinimaro ity fitaovana ity, mamaritra ny saran’ny haban-tseranana tokony haloany, amin’ny fomba haingana sy mahomby. Nomen’ny OMD alalana ny fametrahana azy eto Madagasikara […]

Fambolena: tetikasa hanatsarana ny vary

Nampahafantarina ny 31 mey sy ny 1 jona teo, tany Mana­kara, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny tetikasa Defis sy ny tetikasa Africa Rice. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fambolem-bary, hampiakarana ny tahan’ny vokatra. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Fofifa, ny CFFAMMA ary ny SOC, hanatsarana i lalam-pihariana io. Miainga any amin’ny fikarohana […]

Tetikasa Produir: ahitana singa firaka ny lakandrano C3

Ataon’ny mponina fanariam-pako samihafa ny lakandrano C3. Anisan’izany ny akora simika sy mekanika, izay tena ahitana firaka ka miantraika amin’ny fahasalamana. Nisy fanadihadiana ara-tsimika sy fizika natao ny fotaka tamin’ny lakandrano C3, ny taona 2017, nialoha ny fanatanterahana ny Tetikasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe ho an’Antananarivo (Produir). Anisan’izany ny singa metaly […]