Sokajy telo no hifaninanana amin’ity taona ity. Entanina ireo mpanoratra, na efa fanta-daza na tsia, mba handray anjara amin’ny “Fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora” 2024. “Ady amin’ny fanolanana eto Madagasikara”. “Fandrindrana fiainam-pianakaviana”. Ireo ny lohahevitra iompanan’ny “Fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora”, amin’ity taona ity. Nivoaka omaly ny andinindinin’ny fifaninanana, raha toa ka […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Nilaza hitory ny kandidà Randrianasoloniako Siteny ireo kandidà efatra mpifaninana aminy ao amin’ ny distrikan’i Toliara I. Anton’izany ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fizarana vary sy vola tamin’ireo fokontany, ny andron’ny 28 mey, izay andro fahanginana mialoha ny fandatsaham-bato, araka ny tatitr’ireo kandidà ireo, ny faran’ny herinandro teo. Voalaza fa misy […]
Praiminisitra Ntsay Christian ; “Tsy manaiky fanakorontanana ny fitondram-panjakana”
“Tsy manaiky izany fanakorontanana izany ny fitondram-panjakana”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny fianianan’ny mpikambana vaovao eo anivon’ny Fitsarana avo (HCJ), teny Anosy, omaly, raha nanontanin’ny mpanao gazety ny amin’ny fisian’ny fanoherana voka-pifidianana niafara tamin’ ny fandoroana ny biraon’ny Sampana mpanisa vato (SRMV) amin’ny distrika vitsivitsy. Fanjakana tan-dalàna i Madagasikara. […]
Aleo halan’andriana
Misy kisarisary hafahafa, toa mampidonaka, ilay resaka voka-pifidianana. Sanatrian’ny vava, mijabaka amin’ny asan’ny sasany. Tsy hiseho mahay alohan’ny tompony. Amin’ny maha mpisintona lalokosy anefa, mahatsapa ho manana adidy amin’ny fizarana ny ahiahy tsy hihavanana. Iarahan’ny rehetra mahita ny fivoaran’ny fikirakirana ny vaovao. Efa mivoaka tsikelikely ny fitsimbadibadihan’ny isa azon’ny […]
Fifidianana solombavambahoaka: nifarana, omaly, ny fe-potoam-piasan’ ny SRMV
Nifarana omaly ny fe-potoam-piasan’ny sampana mpikirakira ny voka-pifidianana eny anivon’ny distrika, raha ny voafaritry ny lalàna mifehy ny fifidianana. Eny anivon’ny Birao mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) foibe indray, araka izany, no hikirakirana ireo voka-pifidianana ireo, manomboka anio. Manana 10 andro kosa ny Ceni hanatanterahana ny asany, araka ny […]




