Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Basikety, « N1A Zone Est ». Mitarika eo amin’ny laharana voalohany ny ekipan’ny zandary, GNBC Analamanga, ho an’ny vehivavy. Raha ny COSPN Analamanga kosa ny an’ny lehilahy. Nigadona omaly, any Johannesburg, i Loic Lapoussin, Malagasy mpilalao mandrafitra […]

Run – Round II : nanao pao-droa Ratsivahiny Brayan

Tontosa teny amin’ny “piste” Arivonimamo, ny alahady lasa teo, ny dingana faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja Run. Fifani­nanana nokarakarain’ny klioba Ama. Nisongadina ny zava-bitan-dRatsivahiny Brayan, nitondra ny fiara Peugeot 205. Nanao pao-droa ny tovolahy izay tompondaka teo amin’ny SR2 sy ny sokajy zandriny. Ankoatra izay, nahavita nanatsara ny fe-potoana ihany koa […]

Handball : nodimandry ny Me Célestin

Misaona ny tontolon’ny handball malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana, omaly, i Tsaradia Célestin, sady mpanazatra no nanangana ary filohan’ny klioba HBCA Analamanga. Nitarika ny fahafatesany ny aretina nahazo azy fotoana naharitra. Olona tena niaina sy nandany ny androny tao anatin’ny fanatanjahantena, indrindra ny taranja handball, Itompokolahy. Efa nanazatra ny ekipan’ny ASC Aro […]

Karate – Fifaninanana Afrika Atsinanana : ho avy anio i Comores sy i Maurice ary i Djibouti

Handray ny fifanintsanan’i Afrika Atsinanana, amin’ny taranja karate-do i Madagasikara, amin’ity volana jona ity. Ho avy eto an-toerena avokoa ireo mpandray anjara amin’izany manomboka anio sy rahampitso. Hotanterahina eto Mada­gasikara, ny 6 – 9 jona ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tapany atsinanana, taranja karate. Araka ny […]

TARATRY ny KANTO

I Toky no mpihira vaovaon’ny tarika Mage 4. Sahirana tokoa tamin’ny fisafidianana izay handimby an’i Ken ireo mpikambana. Na dia samy manan-talenta avokoa aza ireo mpifaninana, nironan’ny safidy i Toky, izay zandrin’i Anthony Pazzapa. Tsy vaovao aminy ny hiran’ny Mage 4 sy ny gadona rock. Manana feo miavaka ihany koa […]