Lanin’ny voay teo amin’ny faritry ny tanany ny mpanarato iray, tao amin’ny kaominin’i Bemarivo, distrika Ambatomainty, ny alahady 2 jona teo. Nanao ny asany toy ny mahazatra azy io lehilahy io, kinanjo, norambasan’ny voay tampoka ny sandriny. Avotra soa aman-tsara izy ka nentina notsaboina teny anivon’ny CSB II Bemarivo. Renim-pianakaviana […]
Taratra
Kariera nihotsaka : mpitrandraka vatosoa maty tototry ny tany
Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray tototry ny tany tao amina kariera fitrandrahana vatosoa, tao amin’ny fokontany Fotsialanana, kaominina Amboriala Andrafenkona, distrika Vohemar, ny zoma 31 mey teo. Samy nidina tao anatin’ny kariera ireo olona miisa telo, mpivahiny, ao an-toerana. Nahatsikaritra tranga hafahafa anefa ny zanaky ny mpitrandraka iray ka […]
Ambohimahitsy : jiolahy efatra notanana am-ponja
Nohazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny faran’ny herinandro teo, ireo efa-dahy mpamaky trano voasambotry ny zandary. Nangalatra moto teny Ambohimahitsy izy efatra mirahalahy ireo, ny 29 febroary teo. Nanohy ny asa ratsiny hatrany ireto olon-dratsy ireto ka namaky trano teny amin’ny manodidina ny kaominina Ambohimangakely. Voamarin’ny zandary tamin’ny alalan’ny loharanom-baovao fa […]
Ivato: Fiara nivadika, olona iray maty
Maty teny an-dalana hamonjy hopitaly ny mpamilin’ilay fiara P.206 niharan-doza teny amin’ny sampanana « Paon d’Or » Ivato, omaly maraina. Tovolahy iray hafa kosa naratra mafy. Nieren-doza ny tovolahy iray nanao «auto-stop » niaraka tamin’izy roa lahy, saingy tsy hita rehefa nitranga ny loza… Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray teny Ivato, omaly tamin’ny […]
Fi.Mpi.Ma – Volan’ny teny malagasy : nomena aina ny fomba, teny, kolontsaina
Ny faran’ny herinandro teo, tafiditra ao anatin’ny fanokafana ny hetsika ho fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Notanterahin’ny Fikambanan’ ny Mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany), teny amin’ny kianjan’Andohalo ilay hetsika lehibe namondronan’izy ireo ny fomba sy ny teny ary ny kolontsaina malagasy. Notsiahivina sy naverina ny kabary notontosain’ny mpanjaka Ranavalomanjaka, […]




