Taratra

Fifaninanana sary, andiany faharoa: nandrombaka ny voalohany Razafimbohitra David

Natolotra, ny sabotsy teo, ireo nahazo ny laharana efatra voalohany tamin’ny fifaninanana momba ny sary, andiany faharoa, « Ensemble pour le meilleur avenir ». Tetsy amin’ny Alliance Française d’Anta­nana­rivo Andavamamba no nanatontosana ny hetsika. Nahazo ny laharana voalohany tamin’izany Razafimbohitra Mahasetra David, mipetraka eto Antananarivo. “Nisafidy ny hanao ny sary ho mainty […]

FANTINA sy FINTINA

Matihanina amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ireo iraka manokan’ny SADC, araka ny nambaran’ny loholona Rabetsaroana Sylvain, teny Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo. Tsy niteny afa-tsy ny zavatra hitany sy reny izy ireo. Nilamina sy nizotra ara-dalàna ny fifidianana teto Madagasikara. Nanao ny asany ny Ceni, nangatahan-dry zareo ny hanampiana ny Ceni […]

FANAOVANA POLITIKA: “Diso fanantenana ny vahoaka”, hoy ny RDS

“Be loatra ny fahadisoam-panantenana ateraky ny mpanao politika eo amin’ny fiarahamonina. Mampihena ny risipon’ny Malagasy handray anjara amin’ny fiainam-pirenena izay, indrindra amin’ny raharaha politika”. Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), Rakoto Andrianirina Fetison, tamin’ny faran’ny herinandro teo, momba ny fahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka. Mampalahelo ny […]

Politika mampahantra vahoaka

  Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fitondrana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny maha olona: fiainam-bahoaka, sosialim-bahoaka. Tena mba tsaroan’ny ain’ny vahoaka ifotony hoe misy fihatsarana ahay ny fiainany andavanandro? Eo amin’ny fandriampahalemana, vidim-piainana, asa ivelomana… Ady amin’ny fahantrana raha ny marina. Ny fahantrana no fototry ny ratsy rehetra? Anton’ireo olana fototra ireo izay, nefa […]

Rakotoarijaona Jerry : “Mifototra amin’ny politika tranainy ny mpanohitra”

Mivoaka tsikelikely ny fironan’ny vakatra tamin’ny fifidianana depiote teo avy amin’ny Ceni. Nitondra ny heviny momba izany Rakotoarijaona Jerry, mpandrindra ny vovonana JPRM. “Mahalasa saina iha­ny ny fifotoran’ny mpanohitra amin’ny politika tranainy: rehefa resy amin’ny fifidianana dia midika izay fa nangalarina ny vatony”, hoy ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes […]