Taratra

TSELATRA

Mpitondra scooter iray tra-doza teny Imerinkasinina, omaly.  Nandeha mafy, tsy nahafehy ny familiana tampoka io lehilahy io. Vokany, nidaraboka tamin’ny tany ny moto. Naratra mafy ny faritry ny tavany sy ny lohany. Tsy nisy aina nafoy. Zazamenavava efa tsy nisy aina intsony no hitan’ny fokonolona nisy nanary tao ambany tetezana […]

Nokarohina nandritra ny enim-bolana : Jiolahy namono olona roa voasambotra

Tra-tehaky ny zandary ny talata 28 mey lasa teo, ny jiolahy tompon’antoka tamin’ny vono olona nahatsiravina niseho tao Amboasary Atsimo. Nifampitadiavana nandritra ny enim-bolana izy. Nataon’ny zandarimaria hazalambo, voasambotra ny 28 mey, tany Sakaraha, ny jiolahy raindahiny tompon’antoka tamin’ny vono olona. Nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana olona miisa roa tao […]

RN2: kamiao mpitatitra entana voatora-bato

Vaky tanteraka ny fitaratra havia an’ny kamiao mpitatitra entana lasibatry ny tora-bato nataon’ireo mpanakan-dalana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, tao Bekalalao, kaominina Ampasamadinika, distrikan’i Toamasina II, afakomaly. Nirefotra tampoka ny fitaratr’io fiarabe io, tamin’ny 7 ora sy 40 minitra alina. Tora-bato avy any anaty haizina nataon’ny olona tsy fantatra. Niparitraka tao […]

Emmo/Nat : tsy handefitra amin’ ny mpanakorontana

Mihatra avy hatrany ny lalàna ho an’ireo mikasa hanakorontana mandritra ny fiandrasana ny voka-pifidianana solombavambahoaka. Tsy handefitra ny eo anivon’ny Emmo/Nat, araka ny tatitry ny lehibeny, ny faran’ny herinandro teo. “Handray fepetra ary tsy handefitra amin’ireo minia mamboly fanakorontanana fa indrindra ny fanaparitahana vaovao tsy marina momba ny voka-pifidianana ny […]