Tontosa omaly, tao amin’ny tanànan’Ampasimanolotra Brickaville, ny fanolorana ny orinasa Bricka Chips. Ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, no nanolotra izany, nandritra ny fitsidiham-paritra nataony. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “One District One Factory”(ODOF), izao fotodrafitrasa izao. Ny ODOF izay tetikasa napetraky ny fitondram-panjakana entina hampiroboroboana ny sehatry ny fihariana sy ny famokarana […]
Taratra
Fifanakalozana ara-barotra : mitady ny tsena i Kanada sy Afrika Atsimo
Mahasarika ny teratany vahiny ny vokatra malagasy. Ankehitriny, tonga eto Madagasikara sy mihaona amin’ireo mpandraharaha eto an-toerana ny delegasiona Kanadianina sy Afrikana Tatsimo, tarihin’ny Trade facilitation office (TFO) Canada. Hanitatra ny tsena amin’ny fanondranana ny vokatra malagasy mankany ivelany izy ireo. Antoka ho an’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana ny […]
RN2: Kamiao 88 nitondra entana mihoatra
Miverina milanja daholo! Nanomboka misokatra sy miasa ny 21 mey teo, ny toeram- pandanjana fiara vaventy eny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Eny Ambohimalaza (PK 16) ny toerana ho an’ny kamiao miainga aty Antananarivo mankany Toamasina. Eny Antsarakofafa (PK 342+500) kosa ho an’ny avy any Toamasina mankaty Antananarivo. Voafetra ny vesatry […]
Loka Pierre Castel: voafantina ireo tetikasa miisa enina
Maherin’ny 200 ny tetikasan’ny mpandraharaha zandriny voarain’ny orinasa Star, hifaninana amin’ny Loka «Pierre Castel (PPC) 2024». Nahafeno ny fepetra ny 45, ka hifaninana amin’ny dingana manaraka ny 6 amin’ireo. Anisan’izany ny orinasa Gasy Explorer avy any Ikongo, manodina ny akondro ho lasa koba ho an’ny zaza. Ny Bio Source Farm […]
Tetikasa ProPFR: karatany 80 000 sy titra 10 000 hozaraina
Mifantoka amin’ny fahazoana tany ny tetikasa ProPFR ao amin’ny GIZ. Tena kendrena amin’izany ny vehivavy sy ny vondron’olona voahilika eo amin’ny fiarahamonina any amin’ny faritra Diana sy Boeny. Mitentina 15 600 000 euros ny famatsiam-bola avy amin’ny minisitera Alemà ho an’ny fiaraha-miasa (BMZ), ho an’ny Tetikasa fampiroboroboana ny politikan’ny fananan-tany […]




