Anisan’ny hetsika hanehoan’ireo Malagasy mpanakanto ny fivelaran’ny talentany ny “Smooth Night”. Niavaka avokoa ireo andiany 16 nisy nandritra ny 10 taona, ary mbola mikaroka ny lafatra izy ireo amin’ity andiany faha-17 ity. Karazan-kira voafantina, sanganasan’ireo mpanakanto kalaza maneran-tany nivoy ilay antsoina ho “mozikan’ny mainty hoditra”. Ireny no notsongaina hatramin’izay, naverin’ireo […]
Taratra
Fandrosoana sy fivoarana : manampy betsaka ny vehivavy handraharaha ny fahatokisan-tena
Maro ny vehivavy manana talenta sy afaka manao zavatra eto Madagasikara fa betsaka koa ny sakana tsy ahafahany mamoaka izany, raha ny zava-misy. Indrindra ny fidirana eo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Mbola matahotra sy tsy sahy miditra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny ankamaroan’ny vehivavy, Malagasy. Olana voalohany indrindra mahatonga izany ny […]
TSELATRA
Voasambotry ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny, ny sabotsy teo ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Teo am-pamakiana tranon’olona izy no nifanehatra tamin’ny zandary. Eny Ankadindramamy, Ankandrina, Ambohimahitsy ary Soamanandrariny no tena fanaovany ny asa ratsiny. Indroa nigadra noho ny famakiana trano sy fifohana rongony izy, ny taona 2016 sy […]
Mpanendaka anaty taxi-be : lehilahy iray naiditra am-ponja eny Antanimora
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny jiolahy iray tratra nanendaka tao anaty taxi-be. Ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP1 Analakely no nahasambotra azy teny Ambohijatovo, ny herinandro teo, noho izy voarohirohy ho nanendaka tao anaty taxi-be. Ny 22 mey 2024 maraina, nisy renim-pianakaviana […]
Fidorohana rongony : roa lahy nahatrarana méthamphétamine
Nosamborin’ny zandarimaria ny roa lahy nahatrarana rongony mahery vaika, «méthamphétamine», tao Ambohimiandrisoa, Antsirabe, ny 25 mey teo. Tsy tapaka mpividy, nanaitra ny manodidina ny fihetsiky ny lehilahy iray. Nampandre ny mpitandro filaminana ny tsara sitrapo fa mivarotra karazan-java-mahadomelina mahery vaika anisan’ny manimba tanora eo amin’ny tanàna ilay tovolahy. Nisava ny […]




