Anisan’ireo firenena hanana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny taranja tolona lalaovina ambony fasika, “beach wrestling”, ny Malagasy. Mahatratra 30 ireo firenena hiady ho lohany amin’izany. Nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), teny amin’ny Kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha, ny sabotsy lasa teo, fa handefa atleta […]
Taratra
«Zaza mifety» : miditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika
Mitohy hatrany ny fanolorana hetsika mahakasika ny kolontsaina sy ny fanabeazana, indrindra ho an’ny ankizy, ataon’ny IFM sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Izany indrindra no nanaovana izao “Zaza mifety” izao. Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, manomboka ny 1 jona hatramin’ny 8 jona 2024, ny «Zaza mifety» andiany […]
Retogniane Durlin : “Manimba ny fifidianana ny tsindry amin’ny mpiasam-panjakana”
“Raha ny momba ny tsindry atao amin’ireo lehibem-pokontany: tsy vao izao no mitranga izany, rehefa ao anatin’ny fifidianana toy izao. Efa fanaon’ireo mpanao politika eo amin’ny fitondrana izay. Tsy ireo lehibem-pokontany ihany no iharan’izany, fa na ireo lehiben’ny boriborintany na lehiben’ny distrika na ireo prefen’ny polisy… Mandeha hatrany amin’ny mpiasam-panjakana […]
Semipi – Fianarantsoa : nahazo fampitaovana avy amin’ny firenena sinoa
Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika malagasy sy ny firenena sinoa. Nitondra fampitaovana ho an’ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) ao Fianarantsoa ny ambasadaoron’i Sina miasa eto amintsika, Ji Ping. Nitondra fampitaovana ho an’ny Semipi ao Fianarantsoa ny firenena sinoa ka nanolotra izany tamim-pomba ofisialy ny ambasadaoron’i Sina miasa sy monina eto […]
INDRAY MIJERY
Noraisina teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena ireo mpiandraikitra momba ny tomban’ezaka eo anivon’ny « Peace corps », i Carter Tanique sy Paul Romeo. Zava-dehibe ho an’ny minisitera ny fisian’ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny «Peace corps», izay manofana mpampianatra sy mpianatra momba ny teny anglisy any amin’ireo toerana iasany eto […]




